Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
04 novambra 2018

RAOZY MAMELANA AN-TSAHAN’NY KANTO

Raozy, Poeta herotrerony izay manasongadina ny maha ampela azy no maneho ny hasarobidin’ny tononkalo sy ny anjara toeran’ny vehivavy mikajy izany. Ny 28 ôktôbra teo mantsy no nihaonany voalohany tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo izay sondriana tamin'ny fomba fiantsan'i Raozy tononkalo. Izany indrindra no anisan'ny nahatonga izao fivahiniany eto amin'ny tranonkala Pôetawebs izao. Hilazalaza ny momba azy izy ary hanambara vaovao ho an'ny mpisera.

Tsikimilamina Rakotomavo (T.R.)
Miarahaba anao Raozy manaiky hivahiny eto amin'ny Pôetawebs.

Raozy
Miarahaba anao Tsikimilamina Rakotomavo, misaotra ny Pôetawebs mampiantrano ny tenako , miarahaba indrindra koa ny mpanjohy ny tapatapakahitra.
 
T.R.
Mahaliana anay ny hahafantatra izany raozy mahafinaritra eny an-tsahan’ny kanto izany.

Raozy
RAMAROKOTO FITAHIANA NOMENJANAHARY no tena anarako, 15 taona aho, mpitovo ary mbola mpianatra mihitsy.

T.R.
Inona no antony nisafidiananao ny solon'anarana hoe Raozy?

Raozy
RAOZY? Mba hamantarana  avy hatrany fa vehivavy aho satria ny raozy dia voninkazo.
RAOZY satria maro loko io voninkazo io ka izany lokony izany no nampifandraisiko tamin'ny tarakevitra hita ao amin'ny asa soratro. Izany hoe mivelatra amin'ny lohahevitra rehetra ny soratro. Ohatra ny raozy mena ho an'ny tononkaloko mihira ny fitiavana sns.

T.R.
Inoana ho tena mampiavaka an-dRaozy amin'ny hafa?

Raozy
Ny mety hampiavaka ahy angamba, ary inoako ho izay mihitsy, dia noho ny taonako mbola kely kanefa efa tia sy mahazo fahafinaretana sahady amin'ny literatiora. Ny toetra indray dia somary sahisahy kely izay aho indraindray, tsy dia tiako loatra ny manao fitafy tsy maotina.

T.R.
Momba izay hoe "toetra" izay ihany, inona no toetran'ny vehivavy tsy azoazonao indrindra sy mety hahafinaritra anao?

Raozy
Ny toetram-behivavy mahasosotra ahy indrindra dia ny tsy fahaizana manaja tena , hita matetika amin'izao vanin'andro izao izany. Ohatra ny miady eny an-dalambe eny, miavonavona, miteny ratsy indrindra ilay manao fihetsika mihantsy lehilahy.
Mahafinaritra ahy kosa ny mahita andriambavilanitra tia manisy hasina ny hafa, voabango ao anatin'izay ny fahamendrehana rehetra tokony hananan'ny vehivavy toy ny fahazotoana mikarakara vatana araka ny tokony ho izy, fikajiana ny mahaolona.

T.R.
Hono ho'aho, hafiriana izay no nirotsahanao teo amin'ny tontolon'ny soratra?

Raozy
Fony mbola mpianatra tany amin'ny CEG aho no efa nanoratra fa ny taona 2015 vao tena nirotsaka teo an-tsahan'ny literatiora.

T.R.
Inona avy àry ireo karazana asa soratra voizin'i Raozy?

Raozy
Manoratra tononkalo, riankalo ary sombintantara aho.

T.R.
Mahafinaritra ny nihaino anao niantsa tononkalo tao amin'ny Fifanampiana Malagasy Ampandrana tamin'ny 28 ôktôbra teo. Tombanana ho tena iainanao mihitsy izay voalazanao. Azonao averina eto ve ilay tononkalo hoe "Any izay ianao"?

Raozy
Misaotra. Indro àry ilay tononkalo.

ANY IZAY IANAO...

Eto ranomaso no namana mpamangy
sy tia mba mitsetra ahy...
Eto tsisy intsony ny fanasana vangy
fa ory fo fanahy...

Marary saina koa!
Eto raha mahatsiahy ny lasana taloha
dia mitomany tena!

Indrisy! mahonena
F'odiana tsy jerena
raha mandalo an'eritreritra ny tenimaminao...
Tamin'izany sy amin'izao?

Oh! Any izay ianao
Sambatra rakofan'ny vero sy ny antsoro,
Lafatra eo anilan'ilay andriamanitrao...
Fa ny foko torotoro!

Ny foko fenofeno
dia ny masoko tomany...
Fa eto miandry avelo
hampody ho nofo indray ireo teny tamin'izany

Maniry anao hiverina...
Miangavy anao hamafa ny ranomasoko eto!

Miangavy anao hamafa ny ranomasoko eto!

Fa any izay ianao...
Angamba tsy mandre izao redirediko eto izao!

RAOZY





T.R.
Manam-baovao ianao Raozy, azonao ambara misimisy ve?

Raozy
Manam-baovao hozaraina tokoa aho, na ny marina izahay Ampel'ART, tarika tovovavy vitsivitsy maniry hametraka amin'ny toerany ny kolontsaina malagasy.
Izahay dia manomana hetsika hamoaham-boky mitondra ny lohateny hoe LOKO MENA, hotontosaina ny alarobia 14 novambra 2018 izao amin'ny 2 ora tolakandro ao amin'ny CEMDLAC analakely.

T.R.
Inona no antony  nahatonga anareo hikarakara hetsika toy izao?

Raozy
Izy io dia antsa tononkalo hamelomanay ny asa soratray ary horavahana zavatra tsy ampoizina, mety ho dihy, mety ho hira.
- Voalohany indrindra dia ho fampahafantarana ny fisian'ny Ampel'ART no anton'io hetsika io.
- Faharoa, hanao io hetsika io izahay hamoahana ny boky LOKO MENA, araka ny efa nambarako teo, izay boky fitaovana hamoha indray ny fitiavana ny literatiora any anatin'ny tsirairay.
- Fahatelo, maniry hanao zavatra miavaka kokoa ny Ampel'ART ka amin'io hetsika io no heverina hanehoana izany.

T.R.
Mahaliana ny maro izay hoe "zavatra miavaka" izay!

Raozy
Ny mety hampiavaka an'io seho io dia izy antsa ranofotsiny arahin'ny rindran-tsehatra niangaliana fatratra, fanampin'izay dia andriambavilanitra avokoa no hiaka-tsehatra hamelona ireo asa soratra antsaina amin'io.

T.R.
Misy  fanentanana sy hafatra ampitainao amin'ny mpankafy haisoratra rehetra ve?

Raozy
Manentana antsika rehetra tsy an-kanavaka ho tonga hifanotrona aminay amin'ny alarobia 14 novambra ho avy izao, amin'ny 2 ora tolakandro ao amin'ny CEMDLAC analakely. Sitrakay indrindra ny handraisanao anjara amin'ny fanjifana ny boky LOKO MENA, mirakitra tononkalo miisa 60, amin'ny hasiny 10 000 ar.

T.R.
Misaotra anao Raozy nitafa teo amin'ny Pôetawebs, maniry ny hisongadinan'ny tononkalonao sy ny fisandratanao ho avo amin'ny tontolon'ny soratra!

Raozy
Misaotra anao Tsikimilamina Rakotomavo. Misaotra ihany koa ny Pôetawebs sy ireo mpanaraka hatrany ny TAPATAPAKAHITRA.

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com