VONIN-TENIN'NY MPIZAKA
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
04 Aprily 2022
Vetson'ny Fanahy
Handray pôeta andrarezina indray ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ny Mpizaka STeLaRiM, fikambanana havanana amin'ny fiketrehana hetsika mahaliana no hanatanteraka azy ary tsy vahiny intsony eto amin'ny tranonkala Pôetawebs. Mitapatapakahitra amin'ny tranonkala ny solontenany, Fifi Razakarison, manazava izay miandry antsika amin'ny hetsika VONIN-TENINA.

Vetson'ny Fanahy
Faly mandray anao izahay ato amin'ny tranonkala Pôetawebs

Fifi Razakarison
Faly mivahiny eto amin'ny Pôetawebs ihany koa ny tenako.

Vetson'ny Fanahy
Mino izahay fa manana vaovao ianao matoa mivahiny eto amin'ny tranonkala. Inona izay vaovao izay raha tsy mahadiso?

Fifi Razakarison
Eny, manana vaovao tokoa aho. Amin'ny maha mpikambana ahy ao amin'ny Mpizaka STeLaRiM no isoloako tena eto, izay ao anatin'ny fanomanana ny hetsika vonin-tenina tanteraka izao. Io no vaovao akaiky indrindra.

Vetson'ny Fanahy
Vonin-tenina, azonao velabelarina amin'ny mpanaraka ve ity hetsika karakarainareo ity?

Fifi Razakarison
Antsan-tononkalo hamelona ny asa soratr'ireo pôeta manana ny lazany eo amin'ny literatiora malagasy. Izany hoe, mitondra ny anjara birikinay izahay ho fielezan'ny kanto ao anatin'ny asa soratr'izy ireo. Voaravaka hira ihany koa izany eny anelanelan'ny antsa, ary izahay ihany no mihira.

Vetson'ny Fanahy
Inona no vala namaritanareo hoe "ity malaza, dia itsy tsy malaza"?

Fifi Razakarison
Ny namaritanay azy dia araka izay efa nisy nikaroka. Tsy nifidy izahay hoe betsaka sa vitsy. Fa izay nisy nikaroka teny amin'ny anjerimanontolo no nosokajinay ho malaza.

Vetson'ny Fanahy
Nofaritanareo ho Asa soratra mpanoratra efa nindaosin'ny fahafatesana ve ireo tononkalo ho velominareo?

Fifi Razakarison
Mpanoratra efa teo aloha ka maty ary nahavitana fikarohana ny asa no tafiditra tao anaty masontsivana napetrakay.

Vetson'ny Fanahy
Raha mijery isika, misy mpanoratra mbola velona, efa misy manao fikarohana ny asany. Ho anareo ve misy antony manokana no nametrahana an'ilay hoe mpanoratra efa maty ? Sa ve hoe tsy malaza izy raha mbola velona na dia efa nahavitana fikarohana aza?

Fifi Razakarison
Ny efa maty dia efa nitsahatra tamin'ny fanoratany izy noho izany fantatra ny asa sorany teo am-piangana hatramin'ny farany. Ny mbola velona tsy voafaritra iny. Araka izany ireo no asa soratra navelany ho an'ny mpankafy sy ny mpikaroka.

Vetson'ny Fanahy
Mazava tsara, mpanoratra firy eo no tafiditra tao anaty mason-tsivanareo?

Fifi Razakarison
Eo amin'ny 10 eo ho eo, anisan'ireny i Elie Rajaonarison, Le Myosotis, Samuel Ratany, Jean-Joseph Rabearivelo...

Vetson'ny Fanahy
Hiverenantsika amin'izay ny anaran'ilay hetsika. Azonao hazavaina ve ny dikany? Inona ny Antony  hoe io no safidinareo?

Fifi Razakarison
Ilay lohateny dia nalaina tamin'ny ohabolana hoe: "TSINTSINA MITONDRA VONIN-TENINA KA IZAY ERAN'NY VAVA NO ENTINA". Izany hoe, naka ampahampahany tamin'ireo asa soratra heverina ho sangany tamin'ireo mpanoratra zokiny izahay ho  fanehoana  fa misy ainga izay voatahiry sy kanto miafitra ao anatin'izy ireny.  Ankoatra izay, tokony ho tamin'ny iray volan'ny pôezia izy ity no natao nefa noho ny lamina eo amin'ny efitrano dia tsy tanteraka izany. Anjara biriky avy aty aminay entina hankalazana ny iray volan'ny poezia izany io. Ary tsy hihambo ho hahavita be akory fa izay kely avy aty aminay no hasehonay sy hampahafantarinay.

Vetson'ny Fanahy
Miresaka toerana ihany ianao, aiza tokoa moa izy ity no atao, ary rahoviana?

Fifi Razakarison
Ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy efitrano Dox no hotanterahina ny hetsika ny 6 aprily 2022 ho avy izao. Alarobia io, tsy misy vidim-pidirana fa mandray izay foy kosa ho fanohanana ny literatiora.
 
Vetson'ny Fanahy
Nisy safidy manokana ve ilay toerana?

Fifi Razakarison
Ilay toerana tsy nasiana safidy fa fiarahana miasa teo aminay sy ny Tranombokim-pirenena. Izany hoe natao tao satria tao no nandray ny fangatahana natao.

Vetson'ny Fanahy
Mazava ny amin'iny, ary ny amin'ny tsy fisian'ny sandam-pidirana?

Fifi Razakarison
Tsy misy sandam-pidirana satria mila fahazoan-dalana avy amin'ny Omda sy ny fianakavian'ny mpanoratra vao mety izany.
Noho izany, tsy nasaina sandany ny fijerena sy fianohana ny asa soratr'ireo.

Vetson'ny Fanahy
Mazava koa ny amin'iny. Hetsika efa fanaonareo ve ny toa ity sa vao sambany mihitsy?

Fifi Razakarison
Vao sambany ny hamelona ny aingan'ireo pôeta zokiny izahay. Ny manao hetsika kosa efa fanao ihany fa mitady izay fomba tsy hitoviany ny hatramin'izay fotsiny.
 
Vetson'ny Fanahy
Mazava ho azy, misy vokatra andrasanareo aorian'io hetsika hataonareo io, azonao lazaina ny mpanaraka ny tranonkala ve hoe inona izay?

Fifi Razakarison
Vokatra handrasana amin'io ny hahatsapan'ireo mpankafy ankehitriny fa tsara ny mamaky ny bokin'ireo pôeta teo aloha fa tsy dia variana ny amin'izao. Ankoatra izany ny hahazoan'ny olona fahalalana mikasika ireo mpanoratra ireo.

Vetson'ny Fanahy
Ankoatra ny tononkalo izany ve dia hampahafantatra ny mikasika ireo mpanoratra ireo amin'ny mpijery ianareo? Satria ny vokatra andrasanareo dia hoe hahazo fahalalana momba ireo mpanoratra ny mpanatrika.
 
Fifi Razakarison
Mampahafantatra amin'ny alalan'ny sary sy ny sorapiainana fohy.

Vetson'ny Fanahy
Mazava ny amin'iny. Hetsika hitohy ve izy ity sa indray mandeha tsy miverina ihany?

Fifi Razakarison
Ny tohiny no hisy fa tsy antsan-tononkalo intsony angamba izay ho amin'ity taona ity ihany.

Vetson'ny Fanahy
Azonao ambara ve ny endrika hisehoany?

Fifi Razakarison
Io no mbola hodinihina tsara aloha. Tsy voafaritra tsara hatreto.

Vetson'ny Fanahy
Mankasitraka anao àry. Ento ary ny fanentanana sy ny fampahatsiahivana ity hetsika hataonareo ity.

Fifi Razakarison
Manentana antsika mpankafy ho avy hianoka pôezia etsy amin'ny Tranombokim-pirenena ny 6 aprily izao fa tsy mbola nandiso fanantenana anao ny
Mpizaka STeLaRiM. Any mihaona!

Vetson'ny Fanahy
Mankasitraka anao nivahiny tato amin'ny tranonkala Pôetawebs, dia mirary fahombiazana feno amin'ny hetsika ataonareo izahay.

Fifi Razakarison
Misaotra ny Pôetawebs!

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 04/04/2022