Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

09 Jolay 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHANA TAMIN'NY VONDRON'NY MPANAKANTO VASIA

Tsy mandalo tanà-misy havana ny Poetawebs fa nampandrosoin'i Rima sy Nandrianina Maevatiana hatreny amorom-patana. Na dia mafana tokoa mantsy ny famerenana amin'izao andro vitsy mialoha ny hetsika izao dia tsy nahasakana azy ireo tsy hanompana fotoana kely ho an'ny mpisera. Tsy mpandray vahiny ihany ny Poetawebs fa mahay mivahiny koa any amin'ny toerana ahitana ireo mpikirakira literatioran'ny fihetseham-po faratampony. Ikaloyna sy Toetra Ràja no miara-mitapatapak'ahitra amin'ny tompon-trano.


Ikaloyna. Arahaba tompoko. Hetsika inona tokoa moa no resahana? Arosoy ny masaka. Aoka re ianareo mihitsy no hanambara aminay ny votoatiny. Fa mialoha izany, raiso ny saotra atolotray anareo amin'izao fandraisana mamy izao.
 
Nandrianina Maevatiana. Hihi! Raha tsy nisy ny toko sy ny kitay ary ny afo, indrindra fa ny vilany dia tsy ho hary ny rehetra.

Rima. "REHEFA INJAY MITEPO NY FOKO", izay ilay hetsika. Amin'ny zoma 24 jolay no fotoana, amin'ny 5 ora hariva, ao amin'ny IVOKOLO CEMDLAC Analakely Antananarivo. Hisy ny saram-pianohana: 30000 ariary (natokana ho an'ny olo-manan-kaja - "VIP"). Hisy ihany koa ny tsaingoka sy bokin-tseho (livret de spectacle) zaraina maimaim-poana amin'ny fotoana io.


Ikaloyna. Indroa miantoana ilay izy ô?

Rima. Ny ampitso, ny Asabotsy 25 jolay amin'ny 3 ora, dia mbola manome fotoana ho an'ny mpijery izahay ao amin'ny Tranompokonolona Analakely. Hisy ihany koa ny saram-pianohana: 10000 ariary ho an'ny famandrihan-toerana ary 5000 ariary ny ankoatra izay.


Ikaloyna. Tsy dia fahita firy marina izany "comédie poétique" izany an! Nahoana no tsy natao toy ny mahazatra, toy ny antsan-tononkalo na tsangan-tononkalo? Iza no tompon-kevitra?

Nandrianina Maevatiana. Ry Rima sy ny reviny no nikaroka ny "hafa mihitsy" tsy sahala amin'ny mahazatra ka nitsongo izay heveriny fa mety hitondra izany amin'ireo efa mahazatra ny maso sy ny sofina.

        

Ikaloyna. Nitsongo?

 

 


Nandrianina Maevatiana. Ka anisan'ireo voatsongo tao anatin'ny maro aho handrindra izany antsehatra.

Hoy ianao hoe, nahoana tokoa moa no tsy natao "montage poétique" fa nambara hoe: "comédie poétique"? Satria tsy antsa-tononkalo monja izy ity fa lalaovina ho tonga tantara mihitsy, toy ny tantara rehetra saingy amin'ny alalan'ny hakanton'ny kalo sy ny tonony.

Rima. Satria iezahana ny manome sy manolotra zava-baovao ny mpitia sy mpankafy ny haisoratra malagasy, indrindra fa ireo mpiondana tononkalo. Efa mahazatra ary anisan'ny fijery amin'ny mahaRima an'i Rima ny tia karokaroka fa i Maevatiana no tena nandrindra amin'ny ankapobeny (misy namana maro be koa ao andamosina ao miketrika andro aman'alina e!)


Ikaloyna. Ianao Maevatiana no voalaza fa mandrindra. Ianao koa izany no nanoratra ny tantara?

Rima. Tsy nanoratra ny hetsika izy fa nandrindra ireo tononkalo voasoratry ny mpandray anjara tsiarairay avy.

Nandrianina Maevatiana. Tsy izaho no nanoratra ny seho fa nindramina handrindra monja tamin'ireo tononkalo nosoratan'ireo poety voatsongo.


Ikaloyna. Misy azo ambara ve ny momba ny lohahevitra?

Nandrianina Maevatiana. Ny lohahevitry ny tantara dia mitodika amin'ny fitiavan'olon-droa, tanindrazana, fiainana andavanandro ary koa fihavanana.

Avy amin'ireo hevitra ireo no nananganana ny sehatra, ary avy amin'ireo tononkalon'ireo poety mazava ho azy.


Ikaloyna. Tantaram-pitiavana izany izy io. Mampitaintaina? Mampalahelo?

Nandrianina Maevatiana. Rehefa nanangona sy namaky ary nanadihady ireo tononkalo voaangona aho dia voarindra ho tantaram-pitiavana ny seho. Mampitaintaina sa mampalahelo, hoy ianao? Eo ampanandramana isika mahita ny tsirony, ary eo ampiandrasana mahita ny tonony.

Rima. Miankina amin'ireo mpianoka ny fihetseham-po e!


Toetra Ràja. Nandalim-pahaizana manokana momba ny "comédie poétique" ve Maevatiana?

Nandrianina Maevatiana. Efa nateraka ho mpandrindra hetsika ny tenako, nefa nandalina azy aho mba tsy hivily amin'ny kitoatoa. Mila teknika ny fandrindrana ny seho, koa izay no nianarako ny fomba fandrindrana hetsika. Nianatra manokana aho izany.

 

Toetra Ràja. Azonareo hazavaina ve ny anaran'ny vondrona Mpikanto "VASIA"?

Rima. Vetso Antsa Samy Iray Angola.
Dihy, Kintana, samy anarany avokoa fa kintana izy eto.

 Nandrianina Maevatiana. Ka ireo heverina fa kintana amin'ny tononkalo amin'izao vanim-potoanan'ny literatiora ankehitriny izao no nantsoina hamelona ity seho miavaka ity.


Ambony miankavanana : Niry-Solosoa, Meva, Tsitohery, Rima.
Avy eo ambany miankavanana : Nandrianina Maevatiana, Ny Eja, Gazela Meva, Hanitra Oliva, Nanou, Tiavina
Tsy eo amin'ny sary i Tsiahy Andrianina sy i Rado (Mpandravaka ny sehatra) ary Mahefa José (Mpikirakira).


Toetra Ràja. Efa zatra miaraka?

Nandrianina Maevatiana. Misy ihany no efa tafaraka nanao zavatra fa misy izao vao miaraka.
Vondron'aritista samy manana ny maha izy azy ny VASIA.


Ikaloyna. Raha azonay tsara dia i Rima no mitarika ny vondrona.

Rima. Tsy i Rima no mitarika fa ny fitiavana kanto ao anatin'ny tsirairay. Vondrona nentina hanambarana ireo pôeta mpamelona ity hetsika "comédie poétique" ity fotsiny izy io.


Toetra Ràja. Ao anaty fitoniana tanteraka ny fijery anareo izany na dia efa antomotra aza ny fotoana.

Rima. Milamina tsara satria voabaikon'ny soratra iombonana.

Nandrianina Maevatiana. Milamina tsy misy ohatr'azy ny VASIA.


Toetra Ràja. Azo asiana teny fohy ve ny momba ireo mpiombon'antoka aminareo?

Rima. Ny hetsika dia karakarain'ny OFNAC. Ry zareo no loharano nipoirana e!... Fa nisy namana vitsivitsy niara-niketrika taminy.


Toetra Ràja. Ary ny andraikitry ny Ministeran'ny Kolontsaina miahy ny hetsika?

Rima. Tsy eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny kolontsaina fa eo ambany fiahian-dRamatoa RASAMOELINA Brigitte Minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana. Ary miara miasa amin'ny OFNAC. Ny Minisitera no nanolotra ny lany rehetra amin'ity hetsika ity.


Toetra Ràja. Ho an'ireo tsy afaka hianoka ny angolangolan'ny VASIA, mety hivoaka radio ve ny tantara ohatra?

Rima. Voarakitra anaty kapila mangirana DVD ny tantara rehetra ka azo jifaina amin'ireo fotoana ireo.


Toetra Ràja. Aorian'io hetsika io, azo fantarina ve ny vinavinan'ny VASIA amin'ny ho avy?

Rima. Ho entin'ny VASIA mitety vazan-tany ity hetsika ity.

Nandrianina Maevatiana. Hamakivaky ny habaky ny sehatra ny VASIA ary hitondra hatrany ny miavaka sy ny kanto indrindra.


Toetra Ràja. Ary ny vinavinanareo mianadahy avy?

Rima. Ho an'i Rima manokana, mitohy ny fampandrian-teny sy ny vaky lay maro samy hafa ary ny fiarahana miasa amin'ireo pôeta namana maro. Ohatra: famoaham-boky iarahako amin'i RANDRA ato ho ato.


Toetra Ràja. Ato ho ato?

Rima. Amin'ity taona ity mihitsy e!
Ao koa ny hetsikay sy i MEVA karakarain'ny Faribolana Sandratra amin'ny volana oktobra, ao amin'ny CGM Analakely Antananarivo.
Hisy koa ny Antsan-tononkalo, arahana boky "ZANA-DANGO". Miaramila mpampandry teny e!

Nandrianina Maevatiana. Araka ny maha mpandrindra "Scenariste" dia mivelatra amin'ny endrika maro aho. Hisy ny hetsika any ho any, toy ny vinavina rehetra sy izay tolotra azo. Eo foana aho amin'izay fotoana izay hanome ny soa sy ny kanto.
Misaotra Tompoko!

Ikaloyna. Ianareo sy ny VASIA no isaorana nanompana fotoana ho an'ny mpisera, ary nanome fanazavana misimisy momba ny hetsika sy ny vina. Mirary soa sy fahombiazana rehetra ho an'ny VASIA ny Pôetawebs. Ho voky izany ny fanahy, ny sofina, ny maso... ary ho voky koa ny vatana?

Toetra Ràja. Hangata-dalana izahay tompoko fa mamerina ny fisaorana. Nahafa-po ny fandraisana. Veloma finaritra!

Nandrianina Maevatiana. Ho ampoky ny feno tanteraka! Veloma, mandra-pitapatapak'ahitra indray!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021