Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

03 Aprily 2016

Tapatapakahitra niarahana tamin'i Aina Nirina sy Batsola Silapanahy (TSANTA)

 

Hiaka-tsehatra indray ny fikambanana TSANTA amin'ny alarobia ho avy izao. Mirentirenty tokoa ny petadrindrina miely eny anivon'ny aterineto sy ny tambajotra sosialy. Antomotra tokoa ny fotoana nandrasana mba hampazava ny raharaha dia nifanatrika tamin'ny tranonkalanao Pôetawebs i Aina Nirina sy Batsola Silapanahy eto amin'ny efitry ny TAPATAPAKAHITRA.


Doda Razafindravelo
Miarahaba anareo Aina Nirina sy Batsola Silapanahy, tonga soa eto amin'ny tapatapakahitra!

Batsola Silapanahy
Salama Aina a! misaotra nanaiky hiara-hivahiny! Isaorana ihany koa ny mpampiantrano.

Aina Nirina
Faly miarahaba antsika rehetra eto amin'ny tapatapakahitra e§

Batsola Silapanahy
Miarahaba anao Razafindravelo Doda, faly miarahaba antsika mpisera rehetra ihany koa!



Doda Razafindravelo
Batsola Silapanahy, efa nandalo teto ihany, fa tsara angamba raha lazainao ihany hoe iza tokoa moa ianao?


Batsola Silapanahy
Eny ary e, noho ny hataky ny maro tokoa dia tsara raha ho lazaiko eto indray ny momba ahy. Ratobisaona Siliarimino Lanto Seheno Rina, teraka ny 13/05/87 tao Moramanga no misalotra ny anarana hoe Batsola Silapanahy nanomboka ny 13/05/96 tao Ambanitsena, mpikambana ao amin'ny MPIZAKA STELARIM sy TSANTA ihany koa, efa niara-namoaka boky tamin'ireo namana pôetan'ny MPIZAKA ary manomana seho an-tsehatra miaraka amin'ireo namana pôetan'ny TSANTA.



Doda Razafindravelo
Aina Nirina. Azonao lazaina ihany koa ve ny momba anao?

Aina Nirina
ANDRIANARIVELO Rahajanirina Hery no tena anarako, AINA Nirina no solon’anarana entiko amin’ny mahampanoratra ahy, injenieran'ny taotrano sy ny asa vaventy (BTP) aho, manana orinasa BTP sady mpampianatra BTP ihany koa ao amin'ny EEFPS Condorcet, poeta sady mpanoratra nanomboka tamin'ny taona 1984, miantsa sy namoaka ny boky SOMBIN'I AINA 1 tamin'ny taona 2015 teo, efa niara-niantsa sy namoaka ny boky ZARAFANAHY tamin'ny namana tao amin'ny Faribolana Sandratra koa tamin'io 2015 io ihany. Filoha mpanorina ny TSANTA (Tiako Sy Andrianiko Ny teniko sy TAniko).


Taorian'ny fitsangatsanganana teny Imerinkasinina sy ny ANTSA izay nataon'ny TSANTA tao amin'ny IKM dia ity ny AFOM-PITIA, ANTSA tononkalo iarahanao amin'ny pôeta sy mpihiran'ny TSANTA


Doda Razafindravelo
Ny amin'izay fikambanana TSANTA izay indrindra Aina Nirina no tiana ho tsindrianao.


Aina Nirina
Nanomboka ny taona 2014 no namolavolana ny TSANTA. Raha nandinika ny tontolon'ny Haisoratra aho dia nahatsapa fa tsy misy sehatra hahafahan'ny pôeta na mpanoratra tanora, mbola tsy mahay mba mivelatra, mifampianatra, mivoatra, miseho sehatra sns. Ny fikambanana misy dia misy SIVANA avokoa ka tsy afaka hiditra ao ny tanora tsy mbola mahay. Ahoana anefa ny hahatonga azy hahay raha tsy misy mampianatra sy mifampizara traikefa aminy? Izay tsirin-kevitra izay no noresahako tamin'ny pôeta namana tao amin'ny Facebook ka nahatonga anay nandroso moramora tany amin'ny fananganana fikambanana. Nanomboka ny taona 2015 vao tena nisy hetsika natao (TSANGA-TSANTA sy SANTATR'ANTSA) .



Doda Razafindravelo
Ireo dingana vita?

Aina Nirina
Ny voalohan'ity taona 2016 ity kosa dia voatsangana ara-dalàna ara-panjakana ny TSANTA. 30 eo ho eo ny mpikambana. Ny dingana vita dia tena nisy. Tena maro amin'ny poetan'ny TSANTA no tanora vao niana-mamindra teo amin'ny sehatry ny soratra no efa lasa pôeta sy mpiantsa manana ny mahaizy azy amin'izao fotoana izao.




Doda Razafindravelo
Dia azonao ambara avy hatrany ve Batsola Silapanahy ny momba io hetsika ho tanterahina amin'ny Alarobia io?


Batsola Silapanahy
AFOM-PITIA no nosafidianay hatao lohateniny, ny Alarobia ho avy izao ao amin'ny CEMDLAC amin'ny roa ora tolakandro. Antsan-tononkalo tsy tahaka ny antsa mahazatra no hasehonay ao, hisy hira ihany koa izay ataon'ny mpihiran'ny TSANTA. Tsy fihirana hiran'olona efa mpihira malaza fotsiny no ho ataon'izy ireo fa fihirana ny hirany manokana sy ny tononkalon'i Aina Nirina, mampanantena sahady izahay fa hianoka ka hianoka ianareo mpankafy satria ny tsara indrindra no haroso amin'io.

AFOM-PITIA : manomboka mirehitra, mitsilopilopy, miredareda, ...maty!

 

 

 



Doda Razafindravelo
Misy anarana hisalorany manokana ve ilay mpihira? Raha misy dia lazao.

Aina Nirina
AVOTRA Lemada, ny tarika AINA NIRINA, ny tarika KANTO SOMBINIAINA ary ny pôetan'ny TSANTA no hihira ao. Misaotra an'i Doda Razafindravelo sy ny tapatapak'ahitra nampiantrano.


Doda Razafindravelo
Misaotra an'i Aina Nirina sy Batsola nanaiky nivahiny. Mirary soa indrindra.

Batsola Silapanahy
Misaotra ny mpampiantrano, mankasitraka an'i Aina Nirina ary mankatelina ny mpankafy, dia manasa anareo ho tonga hianoka ny antsa amin'io Alarobia io e!
Mandrapitafa indray!

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

 

 

×