Ny boky dia fitaovana iray manamafy ny
fifaneraserana eo amin'ny mpamaky sy ny mpanoratra. Zava-poana ny
mpanoratra raha tsy misy ny mpamaky. Ny famakiana boky no ahafahana
mandalina bebe kokoa ny hafatra amin'ny alalan'ny literatiora.
Fampitana hafatra avy amin'ny mpanoratra ho an'ny mpamaky ny boky ary
sakafon-tsaina ahafahana mifamezivezy anatin'ny tontolo iray
ifampizarana, anisan'izany ny soratra. Ao amin'ny teny daholo no voizina ny fahalalana avy amin'ny mpanoratra. Ny mpamaky no bainga voavadika namolavola manampy amin'ny fanabeazana voa ny vokatra azo avy amin'ny teny. Zava-dehibe ny boky satria na amin'ny fiteny inona na amin'ny fiteny inona dia izy no harentsaina voalohany izarana manerana izao tontolo izao ny hakanton'ny literatiora.
Nihen-danja ny boky nanomboka tamin'ny nisian'ny teknolojia. Mahafinaritra rehefa mahavita ainga anaty asasoratra satria zava-kanto ny teny. Tamin'ny alalan'ny teny no namoronan'Andriamanitra antsika. Vakoka iray lehibe ny boky satria ahafahana mitahiry ny tsiambaratelon'ny mpanoratra.
![]() |
Lafiny maha fampitana hafatra ny boky - Eritreritry ny poeta Lova Santatra
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary nindramina
