Blog

Ny anjara toeran'ny boky araka ny fijerin'ny mpanoratra

Ny anjara toeran'ny boky araka ny fijerin'ny mpanoratra
Rita Ralamboarijaona — 24/04/2026

Poetawebs Hoy i Zo-Maminiriana Mpanoratra
‎Mivela sy maharitra kokoa ny boky raha mitaha amin'ny fiainana taloha, dia ny mitadidy vava sy ny lovantsofina.
‎Zava-dehibe eo amin'ny fitehirizana ny kolontsaina sy ny soatoavina ny fisian'ny boky, fitaovana iray mahomby eo amin'ny fivoizana ny tontolon'ny fanabeazana rehetra.
‎Fitaovana iray mahomby amin'ny fitadiavana ny boky.
‎Mateza roritina izy satria mihoatra ny taonjato maro ny fahavelomany.
‎Arakaraky ny mahaantitra ny boky no mahasarobidy sy mahalafo azy.
‎Manentana antsika mba hazoto mamaky boky dia hajao toy ny anakandriamaso izy.

PoetawebsHoy i Mahefa (Ramahatehotia) Mpanoratra
‎Mitahiry harena sy vakoka lehibe ny boky.
‎Indraindray dia maminavina zavatra ho avy ihany koa izy.
‎Aro riaka ho an'ny olona any aorina izy satria misy torohevitra sy vetsovetso. Tondrozotra mora tehirizina ny boky satria tsy mora azon'ny "virus" toy ny solosaina.
‎Afo ihany no tena mety hamotika ny boky.
‎Azo entina amin'ny ora sy toerana rehetra ihany koa ny boky.
‎Raha te hiasa ny loha dia mamaky boky ihany satria ao avokoa ny lalana rehetra ahafahana mandeha sy manatsara fiainana.


Poetawebs
Poetawebs
___________________
 Ny anjara toeran'ny boky araka ny fijerin'ny mpanoratra
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Patrick Raveloarison sy Hery Rakotonirainy

Valin-taratasy

 

Toetra Ràja— 06/06/2026

 

PoetawebsAnisan'ny mampiavaka ny poeta ny fahaizany mirona any amin'ny tononkalo miako. Tsy vitan'ny hoe miako ihany anefa fa isalorana mihitsy aza indraindray ny fomba fanoratr'ilay poeta anehoana setriny. Iray amin'ireny ity Valin-taratasy nosoratan'i Rianaly na Radoniriana Randrianalidera ity, raha naneho setriny ny Taratasy sy Laoka, tononkalon'i Randja Zanamihoatra.

Lire la suite

Dimy andro misandratra

 

Toetra Ràja— 01/06/2026

 

PoetawebsMirentitenty eny amin'ny petadrindrin'ny kolontsaina ny "Dimy andro misandratra" amin'ny fiandohan'ity volana jona ity. Mitondra fanazavana mahakasika izany ny poeta Mahefa izay mpandrindra ny Faribolana Sandratra Antananarivo. Mandray azy eto amin'ny tranonkala Poetawebs i Toetra Ràja.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Mahefa. Tamin'ny 8 febroary 2010 no nihaonantsika voalohany teto amin'ny efitranon'ny Tapatapakahitra. Tadidin'i Mahefa ve?

Mahefa
Miarahaba anao Toetra Ràja ary faly miarahaba koa ireo mpiseran'ny Poetawebs. Hoentin’ny Poetawebs mitety ny fotoana talohan’izao indray ny eritreritra. Eny, taona maro lasa tokoa izany fahazazana izany ka tsaroana tsara. Mbola kely ara-batana tamin’ireny fa nobeazin’ny andraikitra sy ny fiainana ankehitriny.

Toetra Ràja
Tsikaritra ao amin'ny petadrindrina ka manamarika ny andro tsirairain'ity hetsika ity ny voambolana momba ny fandrahoana sakafo : takotra, toko, tanika, ketrika. Faranana amin'ny "zara" izany eo amin'ny andro fahadimy. Azonao hazavaina ve izany hain-tsakafo izany?

Mahefa
Tena sakafo matsiro tokoa no aroso, tsara fatra sy fetra, tsara fangaro. Tsy sakafo vao nomanina omaly anefa fa efa tao anaty vinam-pandaminana herintaona (septambra 2025 ka hatramin’ny jolay 2026). Efa ela no niketrika sy nikatroka ny pitsony rehetra. Sakafo mora atelina fa saro-devonina mazana, sakafo ho an’ny saina. Sakafo masaka ifotony natosaky ny kanto miboiboika sy forona tsy manam-paharoa. Tsiro sy tsara misandratra. Ireto ny kara-tsakafo ho anao.

- Hisy fampirantiana boky sy gazety mandritra ny dimy andro,
- Ravahin’ny varotra boky sy gazety ihany koa izay hohelingelenin’ny valonana mahafatifaty
- Hivoaka ny alatsinainy 08 Jona koa ny boky iraisan’ny Faribolana Sandratra manerana ny Nosy mitondra ny lohateny hoe "Sandra-kanto"
- Tolorana atrikasa ny mpanatrika sy ny mpitsidika 
- Velakevitra hanasana vahiny toa an’i Pasitera Irako Ammi Andriamahazosoa, Jeneraly Désire Ramakavelo, Tsiloko Mahadigny sy ny mpiraifaribolana mpampianatra toa an’i R Coft, Kelly Randria, Ngaly
- Dia hizara izahay satria omenay sehatra ny "Havàtsa-Upem", ny mpianatra ao amin’ny LMA
- Hianoka ny hiran-dRalanto isika mialoha ny hanatanterahina ny "Lasin’Ainga" any Mandraka ny zoma 12 jona 2026

PoetawebsToetra Ràja
Momba ireo atrikasa voatanisa teo, ny filalaovana tantara no hita ao amin'ny afisy, ny iray an'onjampeo, ny iray an-tsehatra. Azo lazaina ho mirona bebe kokoa mankany amin'ny tantara ve ny mpiraifaribolana Sandratra?

Mahefa
Rehefa manodidina ny "Teny" dia ezahina omena toerana avokoa mandritra ny dimy andro. Efa nahafantarana ny Faribolana Sandratra hatramin’izay ny tantara an'onjampeo sy an-tsehatra. Tsy mirona fa miezaka miaina misimisy kokoa sy manome toerana angamba no tena marina. Taninketsan’ireo mpisehatra sy mpilalao malaza ankehitriny ny Faribolana Sandratra ka ireo nahita soa no hizara izay noraisiny ho an’ny hafa. Tsy mamihina fa manolotra ny kanto hatrany.

Toetra Ràja
Anisan'ny hanintona ny maro koa ireo antsa tononkalo isaky ny amin'ny 1 ora tolakandro. Ahoana ny momba azy ireo?

Mahefa
Marolafy ny endrika ho hita. Hisy lohahevitra isan’andro, hisy koa anefa hoe tononkalo avy any amin’ny faritra fotsiny no antsaina, hisy fandraisana vahiny, hisy riankalo sy sovaramita, sy ny sisa…

Toetra Ràja
Handrakotra ny tolakandron'ny hetsika ny velakevitra. Mifanaraka amin'ny toetr'andro ankehitriny ve ny lohahevitra amin'izany?

Mahefa
Nomena fahafahana tanteraka ireo mpanao velakevitra satria ny soratra dia fahafahana. Tsy namaritra na inona na inona izahay saingy toa mifanaraka ho azy amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny tontolon’ny Faribolana Sandratra ny velakevitra. Ohatra, hoy ny lohatenin’ny velakevitry ny Pasitera Irako hoe : "Faribolana Sandratra miantsa Tononkalom-pinoana : mitory sa mitory?"

Toetra Ràja
Tafiditra ao anatin'ny Iray Volan'ny Teny Malagasy ity hetsika "Dimy andro misandratra" ity. Anjara biriky sa anjara trano no hoentin'ny Faribolana Sandratra amin'izany?

PoetawebsMahefa
Eny, tena anjara trano sy toerana lehibe no omen’ny Faribolana Sandratra ho fanamarihana ny iray volan’ny Teny Malagasy. Dimy andro hikirakira teny sy ny manodidina azy isika. Ny seho goavana ao amin’ny CGM ny sabotsy 20 Jona "Loharano an-tendrokalo" hiarahana amin-dRadada sy Tsitohery dia anisany manamafy izany fandraisana anjara goavana izany.

Toetra Ràja
Hono ho'aho Mahefa, manoloana ny ranty haingam-piampita amin'ny tambazotra, tena mbola ilaina ve ny fampirantiana toy izao?

Mahefa
Tena ilaina tokoa, hafa ihany izany mihaona sy mifanatrika izany. Matsiro sy mitaiza maso ny mankafy kanto anaty taratasy sy jerena mivantana. Foana ny fifandraisana elanelanin’ny haino vaky jery.

Toetra Ràja
Hisy fivarotana boky amin'ity hetsika ity. Ahoana kosa ny fanapariahana azy ireo eo amin'ny andavanandro?

Mahefa
Maro ireo mpanoratra ankehitriny no efa manana ny toerana sahaza azy eo amin’ny kanto. Mahatsangy mandimby andrarezina. Tsy anaty tambazotra anefa izany fa taratra anaty seho na boky mivoaka. Tsidiho fa mirantiranty eny amin’ny talantalan’ny mpivarotra boky na ny tranom-boky ny soratry ny mpanoratra ankehitriny.

Toetra Ràja
Mankasitraka Mahefa nizara vaovao sy eritreritra misy hosaintsainina. Mirary fahombiazan'ny Dimy andro misandratra.

Mahefa
"Mankasitraka indrindra ny tranonkala Poetawebs ary manome fotoana antsika ny 8-9-10-11-12 jona ho avy izao ao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy.
Mandra-pihaona!

 

 

Poetawebs
Dimy andro misandratra
Famoahana ny boky Sandra-kanto
 
Poetawebs
Ny Fonon'ny boky Sandra-kanto
 
Poetawebs
Mpiraribolana Sandratra

 

___________________Dimy andro misandratra
Dimy andro misandratra. Tapatapakahitra nifanaovan'i Mahefa tamin'i Toetra Ràja - Poetawebs
Sary : Mahefa

 

Famaritana ny poeta

Famaritana ny poeta - Oniversite Antsiranana
Tsikimilamina Rakotomavo — 15/05/2026

Mitondra ny hetaheta, fitaratra, mpanome herin-tsaina...
Manandratra ny feony ireo mpandalina literatiora avy amin'ny oniversiten'Antsiranana mikasika ny poeta sy ny anjara toerany.


Poetawebs RAVELONALY Jeancli Alfred
Mpamorona kanto mampiasa teny voafantina sy manan-kery ary mahafinaritra mba hampitana fihetseham-po lalina sy fahamarinana momba ny fiainana ny poeta raha faritana. Manana anjara asany koa izy eo amin’ny fiarahamonina, toy ny manome feo ny vahoaka, mitahiry kolontsaina, manaitra saina hanohitra ny tsy rariny, mampitombo fahalalana ary mampiroborobo ny kolontsaina sy ny fitiavana ny teny ary ny zava-kanto.


Poetawebs JERIARISOA Olivia Etienne
Olona sahisahy miteny sy lalin-tsaina ary liana amin’ny zava-kanto ny poeta. Mpiaro ny kolontsaina sy mpitondra feon’ireo vahoaka no anjara toerany eo amin’ny fiarahamonina.

Poetawebs ROZIMANANA Sidonie
Ny atao hoa poeta dia olona iray manan-talenta eo amin’ny literatiora ary maneho hevitra amin’ny alalan’ny kanto. Maneho ny zavatra hitany eo amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny fiainana andavanandro izy.

Poetawebs MAMY Jedidia Gaila
Ny poeta dia mpanakanto izay mampita hafatra, anehoana zava-kanto amin’ny alalan’ny aingam-panahy. Manabe sy mampiroborobo ny teny sy ny kolontsaina malagasy izy.


Poetawebs URBIN Frédéric
Ny poeta dia olona mandrakitra ny fihetseham-pony, ny eritreriny ary ny traikefany amin’ny alalan’ny teny sy fehezan-teny. Ilaina izy ireo satria miaro ny teny aman-kolontsaina sy mitahiry ny tantara ary ny soatoavina.

Poetawebs BE Léonarson
Ny atao hoe poeta dia olona mamorona sy maneho hevitra amin’ny alalan’ny tononkalo miendrika kanto mba hampitana ireo fihetseham-po, ny eritreritra ary ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny poeta satria afaka mampiala voly, mitahiry ny kolontsaina ary mampianatra sy manaitra ny saina koa.

Poetawebs TSITARA
Ny atao hoe poeta dia olona fanta-daza amin’ny fanaovana tononkalo. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny talentany sy ny fahalalany mampita hafatra.

Poetawebs RAMANANARIVONY Aimée Marie Annette
Ny poeta dia olona manana talenta manokana amin’ny famoahana ny fihetseham-po sy hevitra lalina amin’ny alalan’ny tononkalo. Ilain’ny fiarahamonina izy satria mampifoha ny saina, mitahiry ny kolontsaina ary mitarika ny olona amin’ny fahamarinana.


Poetawebs RONALIDO René
Ny poeta dia olona manoratra tononkalo mba hanehoany hevitra, fihetseham-po ary hafatra amin’ny alalan’ny teny kanto sy voalamina. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana olona, mampiray hina, manentana ary mitahiry ny literatiora ihany koa izy.

Poetawebs RAZAKAMANANA Jean Claude Aimé
Ny atao hoe poeta dia olona manoratra na mamorona tononkalo. Mampiasa teny voafantina sy fomba fanehoana mirindra tsara mba hanehoany fihetseham-po, hevitra, fitiavana, alahelo, na hafatra ho an’ny olona. Manana anjara toerana lehibe ny poeta eo amin’ny fiahiana fiarahamonina.

Poetawebs AZATY
Ny poeta dia olona mpahay teny sy mpitahiry kolontsaina. Manana fomba fijery lalina izy ary mahay mampitovy ny hita maso amin’ny tontolon’ny tsy hita maso.

Poetawebs Chanira
Olona manana traikefa na talenta amin’ny alalan’ny teny no atao hoe poeta. Mampita ny fahaizany sy manamafy ny kolontsaina amin’ny fiarahamonina izy.

Poetawebs MALAZA Christine
Ny  Poeta dia mitondra ny feon’ny fiarahamonina, matetika asehony amin’ny alalan’ny fijery eo amin’ny fiainana isan’andro izany.

Poetawebs MORA Margueritte
Antsoina hoe poeta ny olona iray izay maneho ny fihetseham-pony sy hafany amin’ny alalan’ny soratra ka manana endrika kanto sy mafonja. Heverina ho toy ny rakibolana malagasy andrin’ny kolontsaina ny poeta eo anivon’ny fiarahamonina.

Poetawebs ZARALAHY Rutchina
Ny poeta dia olona afaka maneho zavatra amin’ny fomba kanto sy mirindra izay anehoany ny fihetseham-pony amin’ny alalan’ny asasorany.

Poetawebs VOLA Marie Angeliqua
Ny poeta dia mpiangaly zavakanto mampihataka ny olona amin’ny fiainana andavanandro noho ireo sanganasany vokatry ny aingam-panahy. Manan-danja eo amin’ny fiarahamonina ny fisiany satria anisan’ny mampisaintsaina ny mpiara-belona ny hakanton’ireo asany mifono hafatra sady mampiseho ny maha-izy azy ny kolotsaina malagasy.

Poetawebs BELALAHY Aimée Donisca
Ny poeta dia olona iray manana talenta anehoana ny fihetseham-po, hevitra, na zava-misy amin’ny alalan’ny teny kanto sy voafantina. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina izy satria manabe, mampita hafatra ary mampivelatra ny kolotsaina sy ny soatoavina amin’ny endriky ny tononkalo.

Poetawebs RAMA Murielle Jenia
Ny poeta dia mpanakanto mampiasa ny teny sy ny rindra hanehoana ny zava-misy sy ny fihetseham-po lalina amin’ny fomba kanto. Izy no mitahiry ny fahamendrehan’ny teny ibeazana ary mpitondra ny fanahin’ny firenena amin’ny alalan’ny fanairana ny saina sy ny fanabeazana ny fiarahamonina.

Poetawebs JAONARY Didjio Vanito
Ny poeta dia olona maneho aingam-panahy amin’ny alalan’ny teny. Andraikiny ny manokatra ny masom-panahin’ny olona.

Poetawebs NAHOMA Johnathan de la Masianaka
Ny poeta dia olona miavaka amin’ny maro, mahay mandahatra teny kanto izay mitondra hafatra lalina. Andraindrain’ny fiarahamonina izy hampijoro ny marina sy hitondra fanantenana amin’ny alalan’ny asasoratra.

Poetawebs JEREMIE Patricko
Olona manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiarahamonina ny poeta noho ny fananany aingam-panahy sy talenta ary ny fahaizana mamoaka hevitra amin’ny alalan’ny fihetseham-pony. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny fahaizany mitaiza sy mampianatra ny mpiara-belona aminy, ary mikolokolo ireo soatoavina nentim-paharazana sy ny kolotsaina maha Malagasy.

Poetawebs MANOVOSOA Manampototse
Ny poeta dia olona mahay mampita ny teny manaitra ny saina sy fo sy mahita hatsarana na hevitra lalina amin’ny zavatra tsotra eo amin’ny fiainana ary mampita hafatra sy fahendrena amin’ny fomba eny anivon’ny fiarahamonina.

Poetawebs RAVAONIRINA Permanne
Ny poeta dia mpanakanto maneho ny aingam-panahy amin’ny alalan’ny asasoratra izay mirindra sady milanto. Miavaka izay olona izay eny amin’ny fiarahamonina noho ireo sanganasany maneho fihetseham-po. Mavesa-danja tokoa ny anjara asany satria manabe ny fiarahamonina, manitsy eo amin’ny fiainana, mampiala voly, mampianatra sy manoro lalana amin’ny fahombiazana.

Poetawebs MAMISOA
TSARARINY : Olona manana aingam-panahy miavaka ny poeta. Izy dia manana andraikitra lehibe amin’ny fitaizana sy fanabeazana eo anivon’ny fiarahamonina.

Poetawebs RANDRIANANTENAINA Gael
Ny poeta dia olona manoratra ny asasoratra izay mandinika amin’ny alalan’ny saina sy ao ampo ny teny avoakany. Ny poeta ihany koa dia ireo olona manam-pahaizana mikasika ny asasoratra izay atokisan’ny fiarahamonina, ohatra : manoratra ny poezia, tononkalo…
Ny anjara toerany eo amin’ny fiarahamonina dia ny mampita hafatra ny lesona, maneho ny fiainan’ny fiarahamonina, manampy amin’ny fiarovana ny teny malagasy sy soatoavina nentin-drazana, mamalifaly sy mampalasa saina ny asasoratra izay ataony.

Poetawebs AVIZARA Baby Fac Claudio
Ny poeta dia olona manana fahaizana manokana sy eritreritra lalina amin’ny famoronana tononkalo. Mahay mampiasa ny teny amin’ny fomba kanto sy mirindra izy mba hanehoana fihetseham-po, hevitra ary hafatra momba ny fiainana. Manana anjara asa lehibe eo anivon’ny fiarahamonina ny poeta satria mampita hafatra, manabe, manaitra saina ary maneho ny zava-misy iainan’ny olona amin’ny alalan’ny tononkalo.

Poetawebs ANICETTE Volafeno
Ny atao hoe poeta dia olona manoratra amin’ny teny mamy sy feno hafatra mazava tsara hampitana ny fihetseham-po sy ny fahitany izao tontolo izao. Ny tononkalo dia izay taratry ny fon’ny mpanoratra iray mba hoentiny hampifoha sain’olona eo anivon’ny fiarahamonina sy hanentana firenena.
Poetawebs HARITIANA Marie Louisa
Olona manana ny maha izy azy manokana eo amin’ny sehatrin’ny zavakanto ny poeta. Ireo fahaiza-manao eo amin’ny fikirakirana ny teny no tena mampiavaka azy. Izy no lakolosy manaitra ny fieritreretana, izay manova ny fahorian’ny andro ankehitriny ho hery hanangana ny ampitso.

Poetawebs TSANGAMARO Ferdinand Driamila
Ny poeta dia olona tia sy mahay mandrindra ny kanto avy ao am-pony. Ny asany dia mananatra sy mangala sorisory ny fiarahamonina.

Poetawebs RAZAFINDRAFARA Ckevina
Ny poeta dia olona iray izay mahay mampiasa sy manambatra ny teny amin’ny fomba kanto, mirindra ary misy gadona na an-tsoratra izany na am-peo entina hanehoana ny fihetseham-po, sary ao an-tsaina, na hafatra lalina izay miainga amin’ny alalan’ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina na firenena. Tena manana anjara asa lehibe eo amin’ny fiarahamonina ny poeta satria mpanabe sy fitaratry ny fiarahamonina, sady mampiala voly no mpitahiry ny zava-misy ary mpitolona amin’ny tsy rariny no mpiaro kolontsaina. Ka amin’ny alalan’ny herin’ny teny kanto no entina manaitra ny fiarahamonina.

Poetawebs BEKALO Leuthucia
Ny poeta dia olona izay mandinika amin’andro aman’alina hampivoatra ny fiarahamonina sy ny firenena amin’ny alalan’ny asasoratra vita amin’ny fomba kanto.

Poetawebs FITAHIANA Nakaria
Olona miavaka ny poeta noho ny talenta ananany amin’ny fanoratana sy fanehoana hevitra. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny fahaizany mampita hafatra sy manentana ny olona. Antenaina fa handroso ny firenena raha maro ny poeta.

Poetawebs RAZAFIPOLINY Thérésina
Ny poeta dia ilay olona manana talenta amin’ny famoronana ny aingam-panahy izay miavaka amin’ny sarambambem-bahoaka ny fanehoana ny sanganasany amin’ny feo kanto ary manaitra ny fo. Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiainam-piarahamonina ny poeta noho izy mampita hafatra no sady manabe ary mampiala voly ny mpankafy.

Poetawebs RAHARIJAONINA Ronaldo
Ny atao hoe poeta dia olona miavaka sy afaka mamadika ny zava-misy, ny fihetseham-po ary ny eritreritra ho lasa endrika tononkalo kanto sy misy heviny lalina. Misolo ny toeran’ny vahoaka ny poeta, ka asehony ao avy ny hafaliana, ny alahelo, ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana.

Poetawebs HOLETTE
Ny atao hoe dia olona manga sy be vetsovetsom-po eo amin’ny fiarahamonina. Sady mpanome herin-tsaina no mpanoro lalana ary mpampahatsiahy eo amin’ny fiainana. Koa amin’ny alalan’ny tononkalo no anehoany izay rehetra izay.

Poetawebs JAOMORA Philbert
Ny atao hoe poeta dia mpanoratra tononkalo, maneho fihetseham-po sy hevitra amin’ny alalan’ny teny voalamina tsara, misy gadona sy sary an-tsaina.

Poetawebs ZAFY Marie Gladonia Yondha
Iza moa ny poeta ? Iza moa ny poeta raha tsy hitondra izay rehetra hetahetan’ny fo ? Manangona, mitondra ireo havesarana ao an-doha. Iza moa ny poeta raha tsy vavan’dreo voageja ao anatin’ny haizim-pito ? Izay miady ho anao sy ny mahasoa anao. Ny poeta dia fitaratra, ny poeta dia ravaka, ny poeta dia mpikaroka sy mpamonjy kely miavaka.

Famaritana ny poeta - Mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana, lalam-piofanana Malagasy
Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo — Poetawebs

Famaritana ny literatiora

Famaritana ny literatiora
Tsikimilamina Rakotomavo — 10/05/2026

Nanakaiky ny mpianatry ny oniversiten'Antsiranana lalam-piofanana Malagasy ny Poetawebs momba ny famaritana azon'ireo mpianatra 25 zaraina ho an'ny mpisera. Hoezahin'ny tranonkala koa amin'ny fotoana hafa ny hamantatra ny famaritan'ny mpianatra ny antsoina hoe poezia.

Poetawebs VONIMBOLA Angelin
Ny atao hoe literatiora dia fitambaran’ireo sanganasa kanto rehetra izay vita amin’ny alalan’ny teny, novokarin’ny mpahaikanto sy mpahaisoratra.


Poetawebs BE Casmir Sylvio
Ny literatiora dia zavakanto vokatry ny fo sy fanahy, iasaina amin’ny alalan’ny soratra sy teny.

Poetawebs VISOLINA
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto novokarina tamin’ny alalan’ny soratra na am-bava izay maneho ny hainteny.

Poetawebs BEMAHAVITA Roberto
Ny literatiora dia zavakanto mampirindra sy mamolavola ny fiarahamonina ary mampiseho ny maha izy azy ny firenena iray.


Poetawebs RASOAVOLOLONA Samrà
Ny literatiora dia fanambarana ny aingam-panahy izay vita amin’ny fomba kanto, voasoratra mirindra sy atao am-bava ka fanehoana ny sanganasa voarafitra.

Poetawebs ZAFY Sera Clartà
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto manandratra ny teny, anehoana ny fihetseham-po sy hakanton’ny kolontsaina.

Poetawebs BAKOLIARISOA Felicia Emilienne
Ny literatiora dia sehatra ahafahan’ny mpanoratra mamorona tontolo sy toetra vaovao amin’ny alalan’ny teny.

Poetawebs SOAVINDRINA Edwige
Ny literatiora dia zavakanto anehoana ny fietseham-po sy saina ary ny zava-misy eo amin’ny fiainan’ny olombelona izay atao am-bava na an-tsoratra.

Poetawebs SOARIZIKY Tania
Ny literatiora dia zavakanto izay maneho hevitra sy mampihetsi-po.

Poetawebs JAOVORY Hannia
Ny literatiora dia zavakanto vita avy amin’ny teny, ampiasaina anehoana hevitra izay aseho am-bava na an-tsoratra.

Poetawebs SOA Kamila
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra izay aseho amin’ny fomba kanto.

Poetawebs SOA Elina
Ny literatiora dia fanehoana zava-kanto izay raketina an-tsoratra na am-bava izay entina mitahiry tantaram-pirenena.

Poetawebs MANANJARA Frido
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra ao amin’ny faritra na firenena iray aseho amin’ny fomba kanto.

Poetawebs SOAREZY Elodie
Ny literatiora dia famborahana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto izay zava-misy hita taratra ao amin’ny fiarahamonina.

Poetawebs ZAFY Bamamy Asna
Ny literatiora dia fomba anehoan’ny olona ny fihetseham-pony am-bava na an-tsoratra izay aseho amin’ny alalan’ny teny voalamina sy kanto.

Poetawebs NORO Christine Noéla
Ny literatiora dia fomba fandinihana ny teny voafantina tsara izay anehoana ny hevitra mirindra amin’ny alalan’ny eritreritra ka manintona ny mpamaky.

Poetawebs FANAMBINANA Jiovanis Orlando
Ny atao hoe literatiora dia ireo vokatr’asa izay novokarin’ny mpahay teny amin’ny alalan’ny talentany sy fihetsehem-pony.

Poetawebs SOAMAGNAFY Elsye Jeannielle
Ny literatiora dia fanehoan’ny mpanoratra ny heviny sy ny talentany am-bava na an-tsoratra ka asehony amin’ny fomba kanto.

Poetawebs RATSARAZAFY Wornela Elisabeth
Ny literatiora dia zavakanto mampiasa teny an-tsoratra na am-bava mba hanehoana fihetseham-po na eritreritra.

Poetawebs PIERRE Alide
Ny literatiora dia fahaizana maneho hevitra amin’ny fomba kanto manoloana ny zava-misy iainana eo anivon’ny fiarahamonina, vokatry ny fananana talenta sy aingam-panahy.

Poetawebs LOVA Sabruna
Ny literatiora dia zavakanto izay entina hanabeazana ny olona ao anatin’ny fiarahamonina ary natao hanehoana hevitra am-bava sy an-tsoratra ihany koa.

Poetawebs JEAN Eric
Ny atao hoe literatiora dia sanganasa atao an-tsoratra na am-bava entina hanabeazana sy hialana voly amin’ny tany sy ny fiarahamonina ary ny firenena.

Poetawebs RAFANOMEZANTSOA Zikos Kascia
Ny literatiora dia fanehoana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto ny hevitra sy ny fihetseham-po ary ny aingam-panahy manoloana ny zava-misy iainana.

Poetawebs MAMISOA
Ny literatiora dia zavakanto izay mampiasa ny teny ho fitaovana hanehoana hevitra, vina, tantara ary ny fihetseham-po.

Poetawebs RAZAFINDRATIANA Dhizzirnah
Ny literatiora dia zavakanto, talenta vita amin’ny alalan’ny teny aseho an-tsoratra na am-bava.

Famaritana ny literatiora - Mpianatra L2 Oniversiten'Antsiranana, lalam-piofanana Malagasy
Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo — Poetawebs

Lafiny maha fampitana hafatra ny boky - Eritreritry ny poeta Lova Santatra

Sehatra mampiroborobo ny rohin'ny boky
Rita Ralamboarijaona — 01/05/2026

Poetawebs Ny boky dia fitaovana iray manamafy ny fifaneraserana eo amin'ny mpamaky sy ny mpanoratra. Zava-poana ny mpanoratra raha tsy misy ny mpamaky. Ny famakiana boky no ahafahana mandalina bebe kokoa ny hafatra amin'ny alalan'ny literatiora. Fampitana hafatra avy amin'ny mpanoratra ho an'ny mpamaky ny boky ary sakafon-tsaina ahafahana mifamezivezy anatin'ny tontolo iray ifampizarana, anisan'izany ny soratra.

Ao amin'ny teny daholo no voizina ny fahalalana avy amin'ny mpanoratra. Ny mpamaky no bainga voavadika namolavola manampy amin'ny fanabeazana voa ny vokatra azo avy amin'ny teny. Zava-dehibe ny boky satria na amin'ny fiteny inona na amin'ny fiteny inona dia izy no harentsaina voalohany izarana manerana izao tontolo izao ny hakanton'ny literatiora.

Nihen-danja ny boky nanomboka tamin'ny nisian'ny teknolojia. Mahafinaritra rehefa mahavita ainga anaty asasoratra satria zava-kanto ny teny. Tamin'ny alalan'ny teny no namoronan'Andriamanitra antsika. Vakoka iray lehibe ny boky satria ahafahana mitahiry ny tsiambaratelon'ny mpanoratra.

Poetawebs
___________________
Lafiny maha fampitana hafatra ny boky - Eritreritry ny poeta Lova Santatra
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary nindramina

Sehatra mampiroborobo ny rohin'ny boky

Rita Ralamboarijaona — 25/04/2026

 

Poetawebs Tanatin'ny feo milamina sy milanto no nanaovan'i Rita Ralamboarijaona takalo tamin'i Mompera Rabenirina, tomponandraikitra voalohany ao amin'ny Edisiona Ambozontany Analamahitsy.

‎Hoy indrindra i Mompera:
‎Ny boky dia manana ny tantarany eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona tokoa.
‎Ho antsika Malagasy dia ireny tsangam-bato ireny no mirakitra ny tantara sy ny tany fady. 
‎Ireo boky voalohany noraketina teto Madagasikara dia fantatsika fa voaangona tany Oslo sy tany Paris izay voarakitra tamin'ny teny Arabo.
‎ "Ny teny mandalo, ny kabary manjavona fa ny soratra mitoetra ho lovain'ny taranaka."
‎Koa ireo firenena izay nampiasa boky dia nivoatra ary nandroso.
‎Mila finiavana avy amin'ny fanjakana ny tokony hanokanana vola ho fanofanana sy famolahana ny ankizy hatreo amin'ny faha-12 taonany mba hahay hamaky teny sy hanoratra ary ny hampiroboroboana ny gazety sy ny asasoratra indrindra ireny trano famakiam-boky ireny.
‎Anisan'ny  mahatara ny fandrosoan'ny firenena iray ny tsy famakiana boky satria tsy ampy 20% ny Malagasy akory no mahavita mamaky boky.
‎Manjary lasa mihidy anatin'ny tontolon'ny zava-misy fotsiny isika fa tsy afaka mivelatra raha tsy mamaky boky amin'ny alalan'izany fanitarana ny fahalalana sy ny kolontsaina izay vao miampita amin'ny serasera.


PoetawebsHoy indray kosa Rabenandrasana Lalao François (Mpanoratra):
Raha vao miresaka boky dia tsy maintsy miresaka teny satria samy manana ny teniny avokoa ny firenena rehetra manerantany. Io no ifaneraserany sy ifanakalozany hevitra ary io no ahafahany mampita ny zava-baovao sy ny kolontsaina rehetra eo amin'ny taniny.
Fampitana fahalalana sy fanabeazana ny boky, fanovozana fahalalana ihany koa ary indrindra mitahiry ireo soatoavina maro amin'ny alalan'ny mitadidy vava na ny lahabolana ambava dia noraketina amin'ny boky.
Mbola tsy misy mahasolo ny boky na dia efa misy aza ny "technologie moderne"
Ilaina ny mamaky boky satria tsy sahirana ianao amin'ny fanaovana zavatra na ohatra hoe fandraisana fitenenana fotsiny aza, mba hahatonga ny tena hivoatra ihany koa.
Mahereza mamaky boky
Aza kivy mamaky sy mividy boky.

 
Poetawebs
Poetawebs
___________________
 Sehatra mampiroborobo ny rohin'ny boky
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Patrick Raveloarison sy Hery Rakotonirainy
 

‎Boky sy zon'ny mpamorona!

Hery Rakotonirainy — 23/04/2026

 

Poetawebs Ambohipihaonan'ny  mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny boky ny andron'ny 23 aprily izay fotoana ankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny boky sy ny zon'ny mpamorona. Mandritra ny hateloana ny tsenaben'ny boky eo amin'ny tranombokim-pirenena Anosy.

‎Ity hetsika ity dia sehatra iray natokana hifanandratan’ny mpanoratra, mpanonta boky, mpivaro-boky, mpiandraikitra trano famakiam-boky ary indrindra ireo mpamaky. Eny an-toerana koa no ahitana fampirantiana sy varotra boky isan-karazany, izay mikendry ny hanaitra ny fahalianan’ny sokajin-taona  amin’ny vaky boky, antoky ny fandrosoan’ny saina.

‎Ny tanjona dia ny hanakaiky ny mpamaky amin’ny tontolon’ny soratra sy ny literatiora

Poetawebs‎Nitondra fanazavana mikasika ny zon’ny mpamorona kosa ny Tale jeneralin’ny OMDA Haja Ranjarivo  ka nilaza fa mitovy avokoa ny zon’ny mpamorona, ao anatin’izany ny mpanoratra sy ny mpihira. Rehefa natonta ohatra ny boky dia misy ny zon’ny mpamorona ary miankina amin’ny isan’ny boky lafo ny zo sitrahina amin'izany. Koa rehefa sanganasa noforonina ka  ampiasaina ampahibemaso dia afaka misitraka ny zon’ny mpamorona.


___________________
 ‎Boky sy zon'ny mpamorona!
Tatitra : Hery Rakotonirainy
Sary : Raveloarison Patrick sy Rita Ralamboarijaona
 

Dim'He-Tsi

Toetra Ràja — 21/04/2026

 

Poetawebs Nanamarika ny sehatry ny literatiora ny seho antsa tononkalo "DIM'HE-TSI" izay nokarakarain'ny Faribolana Sandratra tao amin'ny CGM Analakely ny tolakandron'ny 18 avrily 2026 lasa teo. Mpanoratra telo mianadahy no tompon'ny sehatra izay nahitana an'i Dimby Mahenina sy Herinina ary Tsitoha Agape. Samy mpanoratry ny Faribolana Sandratra izy ireo. Nanampy tamin'izany koa i Lova Santatra, Voary, Nirihaja, Miaro Zo namelona ny aingan'izy telo mianadahy.

Ankoatra ny aingam-panahy naseho tamin'ny antsa tononkalo dia niavaka koa ny haingon-tsehatra sy ny fanampim-pitaovana tahaka ny torajiro namoahana ny poezia an-tsary izay nifamatotra tamin'ny poezia nantsaina...

Nizara roa ny fotoana, tao aloha ny fianohana ireo antsa tao anatina tara-kevitra maromaro tsy nanavahana ny firehan'ny mpanatrika: fitiavana, fiainana, soratra, vola,... Nanamarika ny tapany faharoa kosa ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny tompon-tsehatra sy ny mpijery. Tao anatin'izany indrindra no nahatakarana ireo dindo samihafa tao ambadik'ity lohahevitra miavaka ity, ary namaliana ny hetahetan'ny mpanatrika rehetra.

Tsy hadinoina koa fa niaraka tamin'ny famoaham-boky izao seho izao mba hojifain'ny rehetra ka dia tombony ho an'ny mpankafy ny fisian'izany ho vaingam-pahatsiarovana... ary koa enti-manohana ny mpanoratra sy ny asasoratra.

 
Poetawebs
Nafana ny antsa tononkalo
niavaka ny ravaky ny Dim'He-Tsi

 
Poetawebs
Loko hafa indray
Dinidinika? Antsa?
 
Poetawebs
Fizarana faharoa — fifanakalozan-kevitra
Miankavanana :
Mahefa, Herinina, Dimby Mahenina, Tsitoha Agape
 
Poetawebs
Ireo mpianoka : miavaka ny vehivavy
___________________
DIM'HE-TSI
Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Ny Tsiaro sy Santatra Ramarozaka
 

Ouverture du site de poeta

Ceci est un exemple de billet. Le blog peut vous permettre de parler de votre actualité ou recueillir vos dernières créations, vos pensées, vos recettes de cuisine, vos derniers voyages...

Supprimez ou modifier ce billet depuis votre manager (espace d'administration du site) afin de commencer à bloguer sur votre site.