Fahazaza, tononkalon'i Jean-Jacques RABEMILA
Fahazaza, tononkalon'i
Jean-Jacques RABEMILA
Fahazaza
Fahiny, fahazaza, raha tany ambanivohitra
Miara-mikarenjy amin'ny fody sy sorohitra ;
Miaraka mifoha amin'ny fitatra sy goaika
Ka mifarimbon'asa amin'ny mpiasa tany maika ;
Rehefa antoandro ny andro, mila tsy hahomby,
Ilaozana ny angady, dia lasa miandry omby,
Ka manariva andro mamandrika kibobo,
Papelika, tsipoy, anaty lobolobo ;
Na raha tsy izany indray, dia lasana manjono,
Misaka marakely na orana hatono,
Ery an-doha riana, ka loza indraindray
Fa tompondrano lava ny orana voaray !
Rehefa hariva ny andro izay vao lasa mody,
Miaraka amin'ny omby, ny arosy mbamin'ny fody,
Fahiny fahazaza raha tany ambanivohitra,
Ka niara-nikarenjy tamin'ny fody sy sorohitra.
Jean-Jacques RABEMILA
Ny Voary, tak 50
Voalohany, nasehon'ny mpanoratra fa anisan'ny singa mpamokatra zoto sy risi-po ny tontolo mbola tsy voaloto. Hoy izy ao amin'ny andalana fahatelo sy fahefatra amin'ny andininy voalohany :
"Miaraka mifoha amin'ny fitatra sy goaika
Ka mifarimbon'asa amin'ny mpiasa tany maika"
Izany hoe, na mamy aza ny torimaso dia tsy malaina velively handao fandriana ny ankizy. Vao maraina be amin'ny ora anenoan'ny fitatra sy goaika dia efa mifoha koa, lasa manampy ireo olon-dehibe miasa tany. Asehon'io andalana fahefatra io fa atao amin'ny zotom-po izany asa izany fa tsy an-tery velively.
Amin'ny maha zaza ny zaza anefa, tsy hahatozo hatramin'ny farany ny asa fanaon'ny olon-dehibe izy raha vao tojo fiaretana. Hoy izy manomboka ny andininy faharoa :
"Rehefa antoandro ny andro, mila tsy hahomby,
Ilaozana ny angady, dia lasa miandry omby"
Asa dimbiasana asa no asehon'ireo andalana ireo. Na tsy eo intsony aza ny hery iasana tany noho ny danik'andro dia misy raharaha hafa indray vonjena. Raharaha izay tsy mifanalavitra amin'ny zavaboary ihany dia ny fiandrasana omby izany. Miantoka ny fahaveloman'ireo biby ireo ny fitondrana azy eny amin'ny toerana hiraofany ahitra sy ny fiambenana azy tsy hitondraka anaty volin'olona.
Araka izany, tsy misy fotoana ipetrapetraham-poana any ambanivohitra fa vao mifoha maraina dia efa misy asa atao, asa izay ifaneraserana mivantana amin'ny natiora. Tsy midika anefa izany fa tsy mba miala voly ny zanak'ambanivohitra.
Faharoa, tsy mila mitady fotoana manokana hialana voly ny ankizy any ambanivohitra. Somary hafakely ny fiainan'ny ankizy any satria eo am-panaovana ny raharahany ihany izy dia efa miala voly. Hoy i Jean-Jacques Rabemila namarana ny andininy faharoa:
"Ka manariva andro mamandrika kibobo,
Papelika, tsipoy, anaty lobolobo"
Izany hoe, fialamboly atao mandritra ilay fotoana iandrasana omby ireo famandrihana karazam-borona ireo. Asehon'ny mpanoratra amin'ireo andalana ireo fa mbola maro karazana ny zava-manana aina any ambanivohitra ka tsy ory kilalao andaniana andro ny ankizy.
Miovaova fa tsy misy raiki-pohy raikitra ny fiainan'ireo ankizy ireo. Izany hoe tsy ho leo ny fiainany mihitsy izy, fa rehefa afa-po amin'ny lalao an-tanety dia mahita lafin-javatra hafa mahavariana indray any anaty rano. Tsikaritra izany ao amin'ny andininy fahatelo manao hoe:
"Na raha tsy izany indray, dia lasana manjono,
Misaka marakely na orana hatono"
Ary eto indrindra no mampisy tsirony ny fiainany, miseho ny tsy ampoizina izay mety hampivadi-po mihitsy:
"Ery an-doha riana, ka loza indraindray
Fa tompondrano lava ny orana voaray !"
Rehefa afa-boly sy nahavita raharaha ny ankizy dia mamonjy ny akaniny indray ary tsy mba manirery na oviana.
Fahatelo, sakaiza akaiky ireo biby ireo, famoha-mandry vao maraina sy mpiara-dia rehefa mody.
"Rehefa hariva ny andro izay vao lasa mody,
Miaraka amin'ny omby, ny arosy mbamin'ny fody,"
Mamy ny manana tontolo voajanahary iriariavana raha ny andalana nanombohana sy namaranan'i Jean-Jacques Rabemila ity tononkalo ity no jerena.
"Fahiny fahazaza raha tany ambanivohitra
niara-nikarenjy tamin'ny fody sy sorohitra"
Raha aravona izay voalaza, tsapa fa tononkalo miavaka ity tononkalo ity. Toa tononkalo mitantara. Hita ato ny fiandohan'ny tontolo andron'ny zaza iray any ambanivohitra, ny karazan-dalao sy asa aman-draharaha rehetra lalovany mandritra ny tontolo andro ary ny fifaranan'ny tontolo androny. Tsy misaraka mandrakariva amin'ireo harena voajanahary mahakanto ny tontolony izy mandritra izany tontolo androny izany. Toa tononkalo manoritsoritra koa anefa ity. Soritsoritany eo ny mety ho endriky ny tontolo hita maso any ambanivohitra. Tahaka ny mahita sary miloko mihitsy eo am-pamakiana ireo karazam-borona amam-biby tanisainy. Manao izay hitsiriritan'ny mpamaky ny tontolo vaoajanahary izany ka misarika indray hikajy ny tontolo iainana.