Faradoboka miavaka
Faribolana Sandratra - 35 taona
Toetra
Ràja - 12/01/2025
Faradoboka niavaka
Faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra
Tamin'ny 10 ora latsaka fahefany marainan'ny 10 janoary 2025, nigadona tao an'efitrano Jaomanoro tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ireo tompon'andraiki-panjakana notarihin'i Donna Mara Volamiranty, Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanome voninahitra ny faradoboky ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny fikambanana poeta sy mpanoratra Faribolana Sandratra. Noredonina avy hatrany ny hiram-pirenena araka ny nandaharan'ny tonian-danonana Mampandriniaina Manitra ny fotoana.Nidobodoboka araka izany tokoa ny ampongan-dry Zanaray Percussions nanafana ny fotoana, nomban'ny hira sy antsa tononkalom-paritra nanelanelana ny kabary sy ny fanolorana mariboninahitra.
Voaravaka haingo samihafa iavahan'ny loko mavo sy mainty ary fehezam-boninkazo ny efitrano nanatanterahana ny lanonana izay niavaka tamin'ny fifandimbiasam-pitenenana nosantarin-dRanöe (Rakotomahafaly Norbert Eugene) mpandrindra nasionaly, sy Jean Nalisoa Ravalitera, zokiny indrindra amin'ireo mpiraifaribolana Sandratra.
Nampiavaka ny lahatenin'ny Ministra ny fanoharana ny taonan'ny Faribolana Sandratra amin'ny an'ny tanora ao anatin'ny heriny sy ny fahamatorany. Nomarihany ny tsy maha irery ny Ministera amin'ny fampiroboroboana ny Kolontsaina noho ny fiarahana miasa akaiky amin'ny fikambanana. Nahazo tombony manokana amin'izany ny mpiraifaribolana Sandratra tamin'ny alalan'ny tsodrano nafafin'ny Ministra ho azy ireo.
Nampiavaka ity lanonana ity ny fanolorana mariboninahitry ny kanto (????? ??? ????, ??? ??????? ?? ?? ?? ???????) ho an'ny mpiraifaribolana sy ireo sakaizany ka 7 ho an'ny Commandeur, 17 ho an'ny Officier ary 16 ho an'ny Chevalier.
Nisongadina tao anatin'ny fotoana koa ny fianohana horonantsary mamaritra ny tantaram-piainan'ny Faribolana Sandratra izay novolavolain'i Tsikimilamina Rakotomavo, sakaizan'ny Faribolana Sandratra. Tsara ny manamarika fa notolorana fanomezana manokana ireo mpanorina telo ny fikambanana izay nanatrika ny lanonana dia i Jean Nalisoa Ravalitera, Ranöe ary Niry-Solosoa.
Miarahaba manokana ireo mpiraifaribolana Sandratra ny Poetawebs ary manasongadina etoana ireo tenin'ny poeta ao aminy izay notsongaina tao anatin'ny lanonana.
Faribolana
Sandratra ?
"Faribolana velona manome
aina ny kanto amin'ny endrika miovaova arakaraka ny fanahin'ny
mpiraifaribolana avy !"FIANTSA HARY DIA
"Fifarimbonan'ny kanto marolokon'ny literatiora ny Faribolana Sandratra !"
LOVA SANTATRA
"Poeta ny faribolana!
Poeta manahiran-tsaina! Mpanasina ny zoky saingy fatra mpitsikera! Poetan'ny fiarahamonina, olona tsy hay fahitana..."
RA-PHI
"Ny Faribolana Sandratra amiko dia fanovozana hafaliana sy herijika ary ainga vao. Fianakaviana hafa"
ELINIVO RATSIMBAZAFY
"Faribolana Sandratra : Fiaraha-mirona, hanandratana ny literatiora malagasy."
FANIRY EZECKIEL
"Ny faribolana dia araka ny anarany, sady faribolam-panandratana no faribolam-pisandratana"
MAMPANDRINIAINA MANITRA
"Faribolana Sandratra : Poetan'ny vanimpotoana."
MAHEFA
"Ny Faribolana Sandratra dia fanandratan-teny fa tsy fanandratan-tena, satria faribolana tsy misy avo sy iva..."
NARILALA
Faribolana Sandratra, 35 taona
Velona ny soratra, masina ny tany fa teny itony tany itony, teny tony tonga tononkalo.
PARFAIT REMI RANDRIANIRINARISOA
"Faribolana Sandratra, tohivakan'ireo mpanoratra mpandrary teny ho tonga kanto miavaka"
NIRIHAJA
|
Ampahany maro tamin'ireo
nahazo mariboninahitra |
|
Ireo nasandratra ho
"commandeur" niaraka tamin'ny Ministra |
|
Isan'ireo sakaizan'ny
Faribolana Sandratra notolorana mariboninahitra Tsikimilamina Rakotomavo sy Fanja Razah. |
|
Poetawebs notolorana
mariboninahitra Eo ankavia i Tsikimilamina Rakotomavo sakaizan'ny Faribolana Sandratra. Eo ankavanana i Faniry Ezeckiel Mpiraifaribolana Sandratra Betafo |