Créer un site internet
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY PÔEZIA
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
21 martsa 2021

ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY PÔEZIA

Notapahin'ny Firenena Mikambana (ONU) tao Parisy tamin'ny ôktôbra 1999 ho andro maneran-tany ho an'ny pôezia ny 21 martsa mba hanohanana ny fahasamihafan'ny teny sy ny kolontsaina ary ho fanomezana sehatra ho an'ny teny andalam-pahafatesana eo anivon'ny vondrom-piarahamonina tsirairay avy.

Manamarika izany andro izany koa isika Malagasy ary hafaliana ho an'ny Pôetawebs ny miarahaba antsika rehetra, mpankafy pôezia sy mpanaraka ireo asa fandalinana ao amin'ny tranonkala, mahatratra izany andro lehibe ho antsika izany.

Arahabaina manokana :
    • ireo mpikambana rehetra ao amin'ny Pôetawebs
    • ireo efa nivahiny tamin'ny Tapatapakahitra
    • ireo efa nanolotra lahatsoratra sy sary ho an'ny tranonkala
    • ireo nanampy tamin'ny serasera sy torohevitra
    • ireo nandray anjara tamin'ny fanehoana an-tsehatra ny asa eto amin'ny tranonkala

Hiroborobo hatrany anie ny fanandratana ny teny malagasy, ny literatiora sy ny pôezia ary ny kolontsainatsika.

Ny ekipan'ny Pôetawebs

Pôetawebs

TONONKALO

Tiako hohiraina
avokoa
izay miaina
sy mamoa,
ny androntsika
eto an-tany,
ny hatsiaka
androany,
ireo malaza
an-gazety,
vazavaza
sy ny fety,
fo maloton-
jiolahy,
rotoroto
mampanahy.

Ny mariazy
a-sabotsy?
… Vazivazy
fa etsy Anosy
ny tantara
indraindray
no miafara
... Adray!

Tantaraiko
anao ireny;
antenaiko
fa tsy teny
re mandalo
mampanoaka,
fa ho kalo
mahafaoka
izay misy
rehetra rehetra.

Nefa indrisy
voafetra
re ny saiko
hamolavola,
ny tsy haiko
mahatola!

Tsy hifezaka
aho rey olona,
ary hiezaka
hitolona,
hanambara
teny soa,
rima tsara
amin'ny fo,
andinin-teny
maty paika
fa tsy ireny
maikamaika,
zava-kanton'
ireo fara:
tsangambaton'
ny tantara.

Fa pôeta
no miteny,
ny talenta
mbola ireny
tsy mba maty,
tsy miala
any anaty
tranonkala.

Toetra Ràja
19 jolay 2004
 Pôetawebs
Pôetawebs
Harioley
Pôetawebs
Jasmin Ratsimiseta

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 21/03/2021

×