Dimy andro misandratra
Dimy andro misandratra
- Par poetawebs
- Le 01/06/2026
- Commentaires (1)
Toetra Ràja— 01/06/2026
Mirentitenty eny amin'ny petadrindrin'ny kolontsaina ny "Dimy andro misandratra" amin'ny fiandohan'ity volana jona ity. Mitondra fanazavana mahakasika izany ny poeta Mahefa izay mpandrindra ny Faribolana Sandratra Antananarivo. Mandray azy eto amin'ny tranonkala Poetawebs i Toetra Ràja.Toetra Ràja
Miarahaba anao Mahefa. Tamin'ny 8 febroary 2010 no nihaonantsika voalohany teto amin'ny efitranon'ny Tapatapakahitra. Tadidin'i Mahefa ve?
Mahefa
Miarahaba anao Toetra Ràja ary faly miarahaba koa ireo mpiseran'ny Poetawebs. Hoentin’ny Poetawebs mitety ny fotoana talohan’izao indray ny eritreritra. Eny, taona maro lasa tokoa izany fahazazana izany ka tsaroana tsara. Mbola kely ara-batana tamin’ireny fa nobeazin’ny andraikitra sy ny fiainana ankehitriny.
Toetra Ràja
Tsikaritra ao amin'ny petadrindrina ka manamarika ny andro tsirairain'ity hetsika ity ny voambolana momba ny fandrahoana sakafo : takotra, toko, tanika, ketrika. Faranana amin'ny "zara" izany eo amin'ny andro fahadimy. Azonao hazavaina ve izany hain-tsakafo izany?
Mahefa
Tena sakafo matsiro tokoa no aroso, tsara fatra sy fetra, tsara fangaro. Tsy sakafo vao nomanina omaly anefa fa efa tao anaty vinam-pandaminana herintaona (septambra 2025 ka hatramin’ny jolay 2026). Efa ela no niketrika sy nikatroka ny pitsony rehetra. Sakafo mora atelina fa saro-devonina mazana, sakafo ho an’ny saina. Sakafo masaka ifotony natosaky ny kanto miboiboika sy forona tsy manam-paharoa. Tsiro sy tsara misandratra. Ireto ny kara-tsakafo ho anao.
- Hisy fampirantiana boky sy gazety mandritra ny dimy andro,
- Ravahin’ny varotra boky sy gazety ihany koa izay hohelingelenin’ny valonana mahafatifaty
- Hivoaka ny alatsinainy 08 Jona koa ny boky iraisan’ny Faribolana Sandratra manerana ny Nosy mitondra ny lohateny hoe "Sandra-kanto"
- Tolorana atrikasa ny mpanatrika sy ny mpitsidika
- Velakevitra hanasana vahiny toa an’i Pasitera Irako Ammi Andriamahazosoa, Jeneraly Désire Ramakavelo, Tsiloko Mahadigny sy ny mpiraifaribolana mpampianatra toa an’i R Coft, Kelly Randria, Ngaly
- Dia hizara izahay satria omenay sehatra ny "Havàtsa-Upem", ny mpianatra ao amin’ny LMA
- Hianoka ny hiran-dRalanto isika mialoha ny hanatanterahina ny "Lasin’Ainga" any Mandraka ny zoma 12 jona 2026
Toetra RàjaMomba ireo atrikasa voatanisa teo, ny filalaovana tantara no hita ao amin'ny afisy, ny iray an'onjampeo, ny iray an-tsehatra. Azo lazaina ho mirona bebe kokoa mankany amin'ny tantara ve ny mpiraifaribolana Sandratra?
Mahefa
Rehefa manodidina ny "Teny" dia ezahina omena toerana avokoa mandritra ny dimy andro. Efa nahafantarana ny Faribolana Sandratra hatramin’izay ny tantara an'onjampeo sy an-tsehatra. Tsy mirona fa miezaka miaina misimisy kokoa sy manome toerana angamba no tena marina. Taninketsan’ireo mpisehatra sy mpilalao malaza ankehitriny ny Faribolana Sandratra ka ireo nahita soa no hizara izay noraisiny ho an’ny hafa. Tsy mamihina fa manolotra ny kanto hatrany.
Toetra Ràja
Anisan'ny hanintona ny maro koa ireo antsa tononkalo isaky ny amin'ny 1 ora tolakandro. Ahoana ny momba azy ireo?
Mahefa
Marolafy ny endrika ho hita. Hisy lohahevitra isan’andro, hisy koa anefa hoe tononkalo avy any amin’ny faritra fotsiny no antsaina, hisy fandraisana vahiny, hisy riankalo sy sovaramita, sy ny sisa…
Toetra Ràja
Handrakotra ny tolakandron'ny hetsika ny velakevitra. Mifanaraka amin'ny toetr'andro ankehitriny ve ny lohahevitra amin'izany?
Mahefa
Nomena fahafahana tanteraka ireo mpanao velakevitra satria ny soratra dia fahafahana. Tsy namaritra na inona na inona izahay saingy toa mifanaraka ho azy amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny tontolon’ny Faribolana Sandratra ny velakevitra. Ohatra, hoy ny lohatenin’ny velakevitry ny Pasitera Irako hoe : "Faribolana Sandratra miantsa Tononkalom-pinoana : mitory sa mitory?"
Toetra Ràja
Tafiditra ao anatin'ny Iray Volan'ny Teny Malagasy ity hetsika "Dimy andro misandratra" ity. Anjara biriky sa anjara trano no hoentin'ny Faribolana Sandratra amin'izany?
MahefaEny, tena anjara trano sy toerana lehibe no omen’ny Faribolana Sandratra ho fanamarihana ny iray volan’ny Teny Malagasy. Dimy andro hikirakira teny sy ny manodidina azy isika. Ny seho goavana ao amin’ny CGM ny sabotsy 20 Jona "Loharano an-tendrokalo" hiarahana amin-dRadada sy Tsitohery dia anisany manamafy izany fandraisana anjara goavana izany.
Toetra Ràja
Hono ho'aho Mahefa, manoloana ny ranty haingam-piampita amin'ny tambazotra, tena mbola ilaina ve ny fampirantiana toy izao?
Mahefa
Tena ilaina tokoa, hafa ihany izany mihaona sy mifanatrika izany. Matsiro sy mitaiza maso ny mankafy kanto anaty taratasy sy jerena mivantana. Foana ny fifandraisana elanelanin’ny haino vaky jery.
Toetra Ràja
Hisy fivarotana boky amin'ity hetsika ity. Ahoana kosa ny fanapariahana azy ireo eo amin'ny andavanandro?
Mahefa
Maro ireo mpanoratra ankehitriny no efa manana ny toerana sahaza azy eo amin’ny kanto. Mahatsangy mandimby andrarezina. Tsy anaty tambazotra anefa izany fa taratra anaty seho na boky mivoaka. Tsidiho fa mirantiranty eny amin’ny talantalan’ny mpivarotra boky na ny tranom-boky ny soratry ny mpanoratra ankehitriny.
Toetra Ràja
Mankasitraka Mahefa nizara vaovao sy eritreritra misy hosaintsainina. Mirary fahombiazan'ny Dimy andro misandratra.
Mahefa
"Mankasitraka indrindra ny tranonkala Poetawebs ary manome fotoana antsika ny 8-9-10-11-12 jona ho avy izao ao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy.
Mandra-pihaona!
![]() |
| Dimy andro misandratra Famoahana ny boky Sandra-kanto |
![]() |
| Ny Fonon'ny boky Sandra-kanto |
![]() |
| Mpiraribolana Sandratra |
___________________Dimy andro misandratra
Dimy andro misandratra. Tapatapakahitra nifanaovan'i Mahefa tamin'i Toetra Ràja - Poetawebs
Sary : Mahefa


