Tanatin'ny feo milamina sy milanto no nanaovan'i Rita Ralamboarijaona takalo tamin'i Mompera Rabenirina, tomponandraikitra voalohany ao amin'ny Edisiona Ambozontany Analamahitsy.
Hoy indrindra i Mompera:
Ny boky dia manana ny tantarany eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona tokoa.
Ho antsika Malagasy dia ireny tsangam-bato ireny no mirakitra ny tantara sy ny tany fady.
Ireo boky voalohany noraketina teto Madagasikara dia fantatsika fa voaangona tany Oslo sy tany Paris izay voarakitra tamin'ny teny Arabo.
"Ny teny mandalo, ny kabary manjavona fa ny soratra mitoetra ho lovain'ny taranaka."
Koa ireo firenena izay nampiasa boky dia nivoatra ary nandroso.
Mila finiavana avy amin'ny fanjakana ny tokony hanokanana vola ho fanofanana sy famolahana ny ankizy hatreo amin'ny faha-12 taonany mba hahay hamaky teny sy hanoratra ary ny hampiroboroboana ny gazety sy ny asasoratra indrindra ireny trano famakiam-boky ireny.
Anisan'ny mahatara ny fandrosoan'ny firenena iray ny tsy famakiana boky satria tsy ampy 20% ny Malagasy akory no mahavita mamaky boky.
Manjary lasa mihidy anatin'ny tontolon'ny zava-misy fotsiny isika fa tsy afaka mivelatra raha tsy mamaky boky amin'ny alalan'izany fanitarana ny fahalalana sy ny kolontsaina izay vao miampita amin'ny serasera.
Hoy indray kosa Rabenandrasana Lalao François (Mpanoratra):Raha vao miresaka boky dia tsy maintsy miresaka teny satria samy manana ny teniny avokoa ny firenena rehetra manerantany. Io no ifaneraserany sy ifanakalozany hevitra ary io no ahafahany mampita ny zava-baovao sy ny kolontsaina rehetra eo amin'ny taniny.
Fampitana fahalalana sy fanabeazana ny boky, fanovozana fahalalana ihany koa ary indrindra mitahiry ireo soatoavina maro amin'ny alalan'ny mitadidy vava na ny lahabolana ambava dia noraketina amin'ny boky.
Mbola tsy misy mahasolo ny boky na dia efa misy aza ny "technologie moderne"
Ilaina ny mamaky boky satria tsy sahirana ianao amin'ny fanaovana zavatra na ohatra hoe fandraisana fitenenana fotsiny aza, mba hahatonga ny tena hivoatra ihany koa.
Mahereza mamaky boky
Aza kivy mamaky sy mividy boky.
![]() |
![]() |
Sehatra mampiroborobo ny rohin'ny boky
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Patrick Raveloarison sy Hery Rakotonirainy

