Valin-taratasy
- Par poetawebs
- Le 06/06/2026
- Commentaires (0)
Toetra Ràja— 06/06/2026
Anisan'ny mampiavaka ny poeta ny fahaizany mirona any amin'ny tononkalo miako. Tsy vitan'ny hoe miako ihany anefa fa isalorana mihitsy aza indraindray ny fomba fanoratr'ilay poeta anehoana setriny. Iray amin'ireny ity Valin-taratasy nosoratan'i Rianaly na Radoniriana Randrianalidera ity, raha naneho setriny ny Taratasy sy Laoka, tononkalon'i Randja Zanamihoatra.
VALIN-TARATASY
Any Ingahy Ravelonandro, mahatsiaro an-taratasy
Maminao ny fihavanana, mampiavaka ny Gasy
Tsy dia misy vaovao, izahay salama tsara
Ranomaso no mijohy, fa manina an'i Gasikara
Raha ny isan'ny ankizy, telo mianadahy izao
Tsy misy asa raikitra eto, fa izay hita dia atao
Ny tsy nihaonana elaela, manamafy fihavanana
Mikasa mba hielina any, raha misy ny hoenti-manana
Izaho no saika hanontany, hoe Raleka MBA nankaiza ?
Valovotaka any Soisa, ilay mpamadika Sakaiza
Ratsy taiza loatra ireny, voa hatramin'ny toe-tsainy
Tsy gaga isika raha nianjera, sy rava 'lay tanànan-drainy
Raha ny zana-dRampizafy, vao haingana aho no nilazana
Fa tamin'ny EFATRA maraina, no nandaozany tanàna
Tamin'ny fitaka avokoa, no nanangonany ny harena
Zao nanody ny tomanin-drafotsibe mampahonena
Ho aiza ianao no tsy ho tsontsa, na eto ihany na any ampita ?
Izay tsy tia raiamandreny, miteraha ianao hahita
Ny taolambalon-dRainilezo, tafakatra vao andro vitsy
Nalevina eny am-pasan-drazany, eo avaratr'i Mahitsy
Venjivenjin'olon-dresy, no mahazo ireto ankizy
Nanantena ny hovalahy, ka nibolila hoamin'ny tsy izy
Nanao ireny ho rehareha, fa tsy niteraka Rangahy
Hay ireto ankizy ireto : tontakely sy jiolahy
Ny ravitoto sy ny patsa, ny kitoza, samy tonga
Angamba azonao an-tsaina, ny korataban'ny kilonga
Nifandrombaka izay tsy izy, niosanosana aok'izany
Ka minitra vitsy monja, indro tapitra sy lany
Misaotra indrindra hoy i Rakoto, raha naneho ny fifaliany
Efa fantany f'i Jean, tena tampoka ny diany
Dia iombonanay ny hoe : mirary SOA ny any an-tanàna
Dia aza atao ela hono, 'lay saosisy sy ny gana
Izao no firariantsoa, ho famaranan-taratasy
Ny havanao aty an-dafy, tsy manadino Malagasy
Hoy i RAOBA mianakavy
Tsy ho ela dia ho avy
Radoniriana Randrianalidera
RIANALY
TARATASY SY LAOKA
Any Raoba mianakavy ampita lavitra tsy tazana
Izay nifindra monina ela nahafoy ny tanindrazana
Manao ahoana, ho'aho, inona e ny vaovao
Fa izahay rehetra aty salama tsara hatrizao.
Efa firy izay ny ankizy tsy mba mahalala havana?
Ary akoatr' izany indray, mety va ny fitadiavana?
Eny iky, ho'aho, rasena, ela izay tsy mba nihaonana
Ianareo tokoa no hoe vao tsy maty dia hisaonana.
Ary mba aiza izay Raleka, ilay namitaka an'i Misa?
Angaha tsy henonay fa hoe valovotaka any Soisa.
Ilay tananan-drainy mantsy toa hirodana ny trano
Fa gorobaka ny tafo ka tafiditra ny rano
Henonay taty koa fa ny zana-drampizafy
Efatra mirahavavy tsotsom-paika aty an-dafy
Mahonena ery, Rafotsy, ranomaso izao foana
No mijotso mitantara isaky ny mba mihaona.
Ny tena lany mondron-kery, lany fatotra amam-pondrana
Kanjo hay, ry Ikala ratsy, hiova lasy sy hanondrana
Ary, hono, ho'aho, aloha, mba tafakatra va re
Ny taolambalon-Drainilezo maty tany Marosey?
Mba aiza, hony, ireo ankizy nony lasa ny hovalahy?
Toa very poka ireny noho ny hadisoan-drangahy
Izao aty tsy mahalala na mandre ny niafarany
Ny rahalahin-drainy sisa, mimenomenona aoka izany
Tsy niteraka rangahy, ireo no hany reharehany
Kanjo indrisy ireto ankizy, toa tsy hita izay nalehany.
Aoka re hijanona eo... Fa iny misy ravitoto
Patsy kely sy kitoza ho anareo sy ry rakoto
Fantatray ny kibon-gasy sy ny hanina mba tiany
Fa i "Jean" no maika loatra sady lavitra ny diany.
Ka tsy hita izay hatao fa dia ireny aloha no nisy
Aoriana indray mandefa ganagana sy saosisy
Ka dia hano an-kafaliana, hitondra hery, fahasoavana
Fa ny malagasy aty tsy mba manadino havana
Veloma finaritra
Hoy Ravelonandro mianakavy sy ny hava-drehetra.
Randja Zanamihoatra (1957)
S.h : i Jean nahazo andro taty izao no mba nahafantarana ny momba anareo hatrizay fito taona tsy nanoratanareo intsony izay, tsy mametraka alahelo akory anaka fa mivavaka ho anareo mandrakariva mba hitodihan'ny masom-panahinareo (ny tongo-batana), ry Leva tetsy kelihiratra izao.
Randja Zanamihoatra
Marihina fa tsy nisy nahitsy ireo tsipelina heverina ho diso nakana ny tononkalo tao amin'ity rohin'ny vetso.serasera.org
Toetra Ràja
Raha tsy mahadiso, inona no nampiainga ny fanahin'i Rianaly ka nahavitany "valin-taratasy" ho an'ny poeta andrarezina Randja Zanamihoatra?
Randrianaly
Tononkalo tena nanamarika ahy ny tononkalon'i Randza Zanamihoatra. Saiky mahazatra ny maro ny Malagasy mankany, raha nifototra kokoa tamin'ny Taratasy sy laoka aho. Tsy tononkalo fe tononkalo fotsiny io fa mahafaoka raharaham-pirenena sy fitiavan-tanindrazana mihitsy, mampita fanabeazana taranaka. Tena kanto koa anefa amin'ny voambolana sy ny gadona ampiasaina. Izany no nahatonga ny aingampanahiko hamaly ilay taratasy. Tena tontolo tsy niainako fa dia niezaka hitsofoka tao anaty tantara fotsiny aho.
___________________
Valin-taratasy, tononkalon'i Rianaly
setrin'ny Taratasy sy laoka an'i Randja Zanamihoatra
tononkalon'i Rianaly setrin'ny Taratasy sy laoka an'i Randja Zanamihoatra