 |
RAVELONALY
Jeancli Alfred
Mpamorona kanto mampiasa teny voafantina sy manan-kery ary
mahafinaritra mba hampitana fihetseham-po lalina sy fahamarinana momba
ny fiainana ny poeta raha faritana. Manana anjara asany koa izy eo
amin’ny fiarahamonina, toy ny manome feo ny vahoaka, mitahiry
kolontsaina, manaitra saina hanohitra ny tsy rariny, mampitombo
fahalalana ary mampiroborobo ny kolontsaina sy ny fitiavana ny teny ary
ny zava-kanto.
|
 |
JERIARISOA Olivia
Etienne
Olona sahisahy miteny sy lalin-tsaina ary liana amin’ny zava-kanto ny
poeta. Mpiaro ny kolontsaina sy mpitondra feon’ireo vahoaka no anjara
toerany eo amin’ny fiarahamonina.
|
 |
ROZIMANANA Sidonie
Ny atao hoa poeta dia olona iray manan-talenta eo amin’ny literatiora
ary maneho hevitra amin’ny alalan’ny kanto. Maneho ny zavatra hitany eo
amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny fiainana andavanandro izy.
|
 |
MAMY Jedidia Gaila
Ny poeta dia mpanakanto izay mampita hafatra, anehoana zava-kanto
amin’ny alalan’ny aingam-panahy. Manabe sy mampiroborobo ny teny sy ny
kolontsaina malagasy izy.
|
 |
URBIN Frédéric
Ny poeta dia olona mandrakitra ny fihetseham-pony, ny eritreriny ary ny
traikefany amin’ny alalan’ny teny sy fehezan-teny. Ilaina izy ireo
satria miaro ny teny aman-kolontsaina sy mitahiry ny tantara ary ny
soatoavina.
|
 |
BE Léonarson
Ny atao hoe poeta dia olona mamorona sy maneho hevitra amin’ny
alalan’ny tononkalo miendrika kanto mba hampitana ireo fihetseham-po,
ny eritreritra ary ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina. Manana anjara
toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny poeta satria afaka
mampiala voly, mitahiry ny kolontsaina ary mampianatra sy manaitra ny
saina koa.
|
 |
TSITARA
Ny atao hoe poeta dia olona fanta-daza amin’ny fanaovana tononkalo.
Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny talentany sy ny fahalalany mampita
hafatra.
|
 |
RAMANANARIVONY
Aimée Marie Annette
Ny poeta dia olona manana talenta manokana amin’ny famoahana ny
fihetseham-po sy hevitra lalina amin’ny alalan’ny tononkalo. Ilain’ny
fiarahamonina izy satria mampifoha ny saina, mitahiry ny kolontsaina
ary mitarika ny olona amin’ny fahamarinana.
|
 |
RONALIDO René
Ny poeta dia olona manoratra tononkalo mba hanehoany hevitra,
fihetseham-po ary hafatra amin’ny alalan’ny teny kanto sy voalamina.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana olona, mampiray hina,
manentana ary mitahiry ny literatiora ihany koa izy.
|
 |
RAZAKAMANANA Jean
Claude Aimé
Ny atao hoe poeta dia olona manoratra na mamorona tononkalo. Mampiasa
teny voafantina sy fomba fanehoana mirindra tsara mba hanehoany
fihetseham-po, hevitra, fitiavana, alahelo, na hafatra ho an’ny olona.
Manana anjara toerana lehibe ny poeta eo amin’ny fiahiana fiarahamonina.
|
 |
AZATY
Ny poeta dia olona mpahay teny sy mpitahiry kolontsaina. Manana fomba
fijery lalina izy ary mahay mampitovy ny hita maso amin’ny tontolon’ny
tsy hita maso.
|
 |
Chanira
Olona manana traikefa na talenta amin’ny alalan’ny teny no atao hoe
poeta. Mampita ny fahaizany sy manamafy ny kolontsaina amin’ny
fiarahamonina izy.
|
 |
MALAZA Christine
Ny Poeta dia mitondra ny feon’ny fiarahamonina, matetika asehony
amin’ny alalan’ny fijery eo amin’ny fiainana isan’andro izany.
|
 |
MORA Margueritte
Antsoina hoe poeta ny olona iray izay maneho ny fihetseham-pony sy
hafany amin’ny alalan’ny soratra ka manana endrika kanto sy mafonja.
Heverina ho toy ny rakibolana malagasy andrin’ny kolontsaina ny poeta
eo anivon’ny fiarahamonina.
|
 |
ZARALAHY Rutchina
Ny poeta dia olona afaka maneho zavatra amin’ny fomba kanto sy mirindra
izay anehoany ny fihetseham-pony amin’ny alalan’ny asasorany.
|
 |
VOLA Marie
Angeliqua
Ny poeta dia mpiangaly zavakanto mampihataka ny olona amin’ny fiainana
andavanandro noho ireo sanganasany vokatry ny aingam-panahy.
Manan-danja eo amin’ny fiarahamonina ny fisiany satria anisan’ny
mampisaintsaina ny mpiara-belona ny hakanton’ireo asany mifono hafatra
sady mampiseho ny maha-izy azy ny kolotsaina malagasy.
|
 |
BELALAHY Aimée
Donisca
Ny poeta dia olona iray manana talenta anehoana ny fihetseham-po,
hevitra, na zava-misy amin’ny alalan’ny teny kanto sy voafantina.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina izy satria
manabe, mampita hafatra ary mampivelatra ny kolotsaina sy ny soatoavina
amin’ny endriky ny tononkalo.
|
 |
RAMA Murielle Jenia
Ny poeta dia mpanakanto mampiasa ny teny sy ny rindra hanehoana ny
zava-misy sy ny fihetseham-po lalina amin’ny fomba kanto. Izy no
mitahiry ny fahamendrehan’ny teny ibeazana ary mpitondra ny fanahin’ny
firenena amin’ny alalan’ny fanairana ny saina sy ny fanabeazana ny
fiarahamonina.
|
 |
JAONARY Didjio
Vanito
Ny poeta dia olona maneho aingam-panahy amin’ny alalan’ny teny.
Andraikiny ny manokatra ny masom-panahin’ny olona.
|
|
NAHOMA Johnathan
de la Masianaka
Ny poeta dia olona miavaka amin’ny maro, mahay mandahatra teny kanto
izay mitondra hafatra lalina. Andraindrain’ny fiarahamonina izy
hampijoro ny marina sy hitondra fanantenana amin’ny alalan’ny
asasoratra.
|
 |
JEREMIE Patricko
Olona manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiarahamonina ny poeta noho
ny fananany aingam-panahy sy talenta ary ny fahaizana mamoaka hevitra
amin’ny alalan’ny fihetseham-pony. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny
fahaizany mitaiza sy mampianatra ny mpiara-belona aminy, ary mikolokolo
ireo soatoavina nentim-paharazana sy ny kolotsaina maha Malagasy.
|
 |
MANOVOSOA
Manampototse
Ny poeta dia olona mahay mampita ny teny manaitra ny saina sy fo sy
mahita hatsarana na hevitra lalina amin’ny zavatra tsotra eo amin’ny
fiainana ary mampita hafatra sy fahendrena amin’ny fomba eny anivon’ny
fiarahamonina.
|
 |
RAVAONIRINA
Permanne
Ny poeta dia mpanakanto maneho ny aingam-panahy amin’ny alalan’ny
asasoratra izay mirindra sady milanto. Miavaka izay olona izay eny
amin’ny fiarahamonina noho ireo sanganasany maneho fihetseham-po.
Mavesa-danja tokoa ny anjara asany satria manabe ny fiarahamonina,
manitsy eo amin’ny fiainana, mampiala voly, mampianatra sy manoro
lalana amin’ny fahombiazana.
|
 |
MAMISOA
TSARARINY : Olona manana aingam-panahy miavaka ny poeta. Izy dia manana
andraikitra lehibe amin’ny fitaizana sy fanabeazana eo anivon’ny
fiarahamonina.
|
|
RANDRIANANTENAINA
Gael
Ny poeta dia olona manoratra ny asasoratra izay mandinika amin’ny
alalan’ny saina sy ao ampo ny teny avoakany. Ny poeta ihany koa dia
ireo olona manam-pahaizana mikasika ny asasoratra izay atokisan’ny
fiarahamonina, ohatra : manoratra ny poezia, tononkalo…
Ny anjara toerany eo amin’ny fiarahamonina dia ny mampita hafatra ny
lesona, maneho ny fiainan’ny fiarahamonina, manampy amin’ny fiarovana
ny teny malagasy sy soatoavina nentin-drazana, mamalifaly sy mampalasa
saina ny asasoratra izay ataony.
|
 |
AVIZARA Baby Fac Claudio
Ny poeta dia olona manana fahaizana manokana sy eritreritra lalina
amin’ny famoronana tononkalo. Mahay mampiasa ny teny amin’ny fomba
kanto sy mirindra izy mba hanehoana fihetseham-po, hevitra ary hafatra
momba ny fiainana. Manana anjara asa lehibe eo anivon’ny fiarahamonina
ny poeta satria mampita hafatra, manabe, manaitra saina ary maneho ny
zava-misy iainan’ny olona amin’ny alalan’ny tononkalo.
|
 |
ANICETTE Volafeno
Ny atao hoe poeta dia olona manoratra amin’ny teny mamy sy feno hafatra
mazava tsara hampitana ny fihetseham-po sy ny fahitany izao tontolo
izao. Ny tononkalo dia izay taratry ny fon’ny mpanoratra iray mba
hoentiny hampifoha sain’olona eo anivon’ny fiarahamonina sy hanentana
firenena.
|
 |
HARITIANA Marie Louisa
Olona manana ny maha izy azy manokana eo amin’ny sehatrin’ny zavakanto
ny poeta. Ireo fahaiza-manao eo amin’ny fikirakirana ny teny no tena
mampiavaka azy. Izy no lakolosy manaitra ny fieritreretana, izay manova
ny fahorian’ny andro ankehitriny ho hery hanangana ny ampitso.
|
 |
TSANGAMARO Ferdinand Driamila
Ny poeta dia olona tia sy mahay mandrindra ny kanto avy ao am-pony. Ny
asany dia mananatra sy mangala sorisory ny fiarahamonina.
|
 |
RAZAFINDRAFARA Ckevina
Ny poeta dia olona iray izay mahay mampiasa sy manambatra ny teny
amin’ny fomba kanto, mirindra ary misy gadona na an-tsoratra izany na
am-peo entina hanehoana ny fihetseham-po, sary ao an-tsaina, na hafatra
lalina izay miainga amin’ny alalan’ny zava-misy eo amin’ny
fiarahamonina na firenena. Tena manana anjara asa lehibe eo amin’ny
fiarahamonina ny poeta satria mpanabe sy fitaratry ny fiarahamonina,
sady mampiala voly no mpitahiry ny zava-misy ary mpitolona amin’ny tsy
rariny no mpiaro kolontsaina. Ka amin’ny alalan’ny herin’ny teny kanto
no entina manaitra ny fiarahamonina.
|
 |
BEKALO Leuthucia
Ny poeta dia olona izay mandinika amin’andro aman’alina hampivoatra ny
fiarahamonina sy ny firenena amin’ny alalan’ny asasoratra vita amin’ny
fomba kanto.
|
 |
FITAHIANA Nakaria
Olona miavaka ny poeta noho ny talenta ananany amin’ny fanoratana sy
fanehoana hevitra. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny fahaizany mampita
hafatra sy manentana ny olona. Antenaina fa handroso ny firenena raha
maro ny poeta.
|
 |
RAZAFIPOLINY Thérésina
Ny poeta dia ilay olona manana talenta amin’ny famoronana ny
aingam-panahy izay miavaka amin’ny sarambambem-bahoaka ny fanehoana ny
sanganasany amin’ny feo kanto ary manaitra ny fo. Manana anjara toerana
lehibe eo anivon’ny fiainam-piarahamonina ny poeta noho izy mampita
hafatra no sady manabe ary mampiala voly ny mpankafy.
|
 |
RAHARIJAONINA Ronaldo
Ny atao hoe poeta dia olona miavaka sy afaka mamadika ny zava-misy, ny
fihetseham-po ary ny eritreritra ho lasa endrika tononkalo kanto sy
misy heviny lalina. Misolo ny toeran’ny vahoaka ny poeta, ka asehony ao
avy ny hafaliana, ny alahelo, ny finoana, ny fitiavana ary ny
fanantenana.
|
 |
HOLETTE
Ny atao hoe dia olona manga sy be vetsovetsom-po eo amin’ny
fiarahamonina. Sady mpanome herin-tsaina no mpanoro lalana ary
mpampahatsiahy eo amin’ny fiainana. Koa amin’ny alalan’ny tononkalo no
anehoany izay rehetra izay.
|
 |
JAOMORA Philbert
Ny atao hoe poeta dia mpanoratra tononkalo, maneho fihetseham-po sy
hevitra amin’ny alalan’ny teny voalamina tsara, misy gadona sy sary
an-tsaina.
|
 |
ZAFY Marie Gladonia Yondha
Iza moa ny poeta ? Iza moa ny poeta raha tsy hitondra izay rehetra
hetahetan’ny fo ? Manangona, mitondra ireo havesarana ao an-doha. Iza
moa ny poeta raha tsy vavan’dreo voageja ao anatin’ny haizim-pito ?
Izay miady ho anao sy ny mahasoa anao. Ny poeta dia fitaratra, ny poeta
dia ravaka, ny poeta dia mpikaroka sy mpamonjy kely miavaka.
|