Créer un site internet

Famaritana ny poeta

  • Par poetawebs
  • Le 15/05/2026
  • Commentaires (0)
Famaritana ny poeta - Oniversite Antsiranana
Tsikimilamina Rakotomavo — 15/05/2026

Mitondra ny hetaheta, fitaratra, mpanome herin-tsaina...
Manandratra ny feony ireo mpandalina literatiora avy amin'ny oniversiten'Antsiranana mikasika ny poeta sy ny anjara toerany.


Poetawebs RAVELONALY Jeancli Alfred
Mpamorona kanto mampiasa teny voafantina sy manan-kery ary mahafinaritra mba hampitana fihetseham-po lalina sy fahamarinana momba ny fiainana ny poeta raha faritana. Manana anjara asany koa izy eo amin’ny fiarahamonina, toy ny manome feo ny vahoaka, mitahiry kolontsaina, manaitra saina hanohitra ny tsy rariny, mampitombo fahalalana ary mampiroborobo ny kolontsaina sy ny fitiavana ny teny ary ny zava-kanto.


Poetawebs JERIARISOA Olivia Etienne
Olona sahisahy miteny sy lalin-tsaina ary liana amin’ny zava-kanto ny poeta. Mpiaro ny kolontsaina sy mpitondra feon’ireo vahoaka no anjara toerany eo amin’ny fiarahamonina.

Poetawebs ROZIMANANA Sidonie
Ny atao hoa poeta dia olona iray manan-talenta eo amin’ny literatiora ary maneho hevitra amin’ny alalan’ny kanto. Maneho ny zavatra hitany eo amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny fiainana andavanandro izy.

Poetawebs MAMY Jedidia Gaila
Ny poeta dia mpanakanto izay mampita hafatra, anehoana zava-kanto amin’ny alalan’ny aingam-panahy. Manabe sy mampiroborobo ny teny sy ny kolontsaina malagasy izy.


Poetawebs URBIN Frédéric
Ny poeta dia olona mandrakitra ny fihetseham-pony, ny eritreriny ary ny traikefany amin’ny alalan’ny teny sy fehezan-teny. Ilaina izy ireo satria miaro ny teny aman-kolontsaina sy mitahiry ny tantara ary ny soatoavina.

Poetawebs BE Léonarson
Ny atao hoe poeta dia olona mamorona sy maneho hevitra amin’ny alalan’ny tononkalo miendrika kanto mba hampitana ireo fihetseham-po, ny eritreritra ary ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny poeta satria afaka mampiala voly, mitahiry ny kolontsaina ary mampianatra sy manaitra ny saina koa.

Poetawebs TSITARA
Ny atao hoe poeta dia olona fanta-daza amin’ny fanaovana tononkalo. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny talentany sy ny fahalalany mampita hafatra.

Poetawebs RAMANANARIVONY Aimée Marie Annette
Ny poeta dia olona manana talenta manokana amin’ny famoahana ny fihetseham-po sy hevitra lalina amin’ny alalan’ny tononkalo. Ilain’ny fiarahamonina izy satria mampifoha ny saina, mitahiry ny kolontsaina ary mitarika ny olona amin’ny fahamarinana.


Poetawebs RONALIDO René
Ny poeta dia olona manoratra tononkalo mba hanehoany hevitra, fihetseham-po ary hafatra amin’ny alalan’ny teny kanto sy voalamina. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana olona, mampiray hina, manentana ary mitahiry ny literatiora ihany koa izy.

Poetawebs RAZAKAMANANA Jean Claude Aimé
Ny atao hoe poeta dia olona manoratra na mamorona tononkalo. Mampiasa teny voafantina sy fomba fanehoana mirindra tsara mba hanehoany fihetseham-po, hevitra, fitiavana, alahelo, na hafatra ho an’ny olona. Manana anjara toerana lehibe ny poeta eo amin’ny fiahiana fiarahamonina.

Poetawebs AZATY
Ny poeta dia olona mpahay teny sy mpitahiry kolontsaina. Manana fomba fijery lalina izy ary mahay mampitovy ny hita maso amin’ny tontolon’ny tsy hita maso.

Poetawebs Chanira
Olona manana traikefa na talenta amin’ny alalan’ny teny no atao hoe poeta. Mampita ny fahaizany sy manamafy ny kolontsaina amin’ny fiarahamonina izy.

Poetawebs MALAZA Christine
Ny  Poeta dia mitondra ny feon’ny fiarahamonina, matetika asehony amin’ny alalan’ny fijery eo amin’ny fiainana isan’andro izany.

Poetawebs MORA Margueritte
Antsoina hoe poeta ny olona iray izay maneho ny fihetseham-pony sy hafany amin’ny alalan’ny soratra ka manana endrika kanto sy mafonja. Heverina ho toy ny rakibolana malagasy andrin’ny kolontsaina ny poeta eo anivon’ny fiarahamonina.

Poetawebs ZARALAHY Rutchina
Ny poeta dia olona afaka maneho zavatra amin’ny fomba kanto sy mirindra izay anehoany ny fihetseham-pony amin’ny alalan’ny asasorany.

Poetawebs VOLA Marie Angeliqua
Ny poeta dia mpiangaly zavakanto mampihataka ny olona amin’ny fiainana andavanandro noho ireo sanganasany vokatry ny aingam-panahy. Manan-danja eo amin’ny fiarahamonina ny fisiany satria anisan’ny mampisaintsaina ny mpiara-belona ny hakanton’ireo asany mifono hafatra sady mampiseho ny maha-izy azy ny kolotsaina malagasy.

Poetawebs BELALAHY Aimée Donisca
Ny poeta dia olona iray manana talenta anehoana ny fihetseham-po, hevitra, na zava-misy amin’ny alalan’ny teny kanto sy voafantina. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina izy satria manabe, mampita hafatra ary mampivelatra ny kolotsaina sy ny soatoavina amin’ny endriky ny tononkalo.

Poetawebs RAMA Murielle Jenia
Ny poeta dia mpanakanto mampiasa ny teny sy ny rindra hanehoana ny zava-misy sy ny fihetseham-po lalina amin’ny fomba kanto. Izy no mitahiry ny fahamendrehan’ny teny ibeazana ary mpitondra ny fanahin’ny firenena amin’ny alalan’ny fanairana ny saina sy ny fanabeazana ny fiarahamonina.

Poetawebs JAONARY Didjio Vanito
Ny poeta dia olona maneho aingam-panahy amin’ny alalan’ny teny. Andraikiny ny manokatra ny masom-panahin’ny olona.

Poetawebs NAHOMA Johnathan de la Masianaka
Ny poeta dia olona miavaka amin’ny maro, mahay mandahatra teny kanto izay mitondra hafatra lalina. Andraindrain’ny fiarahamonina izy hampijoro ny marina sy hitondra fanantenana amin’ny alalan’ny asasoratra.

Poetawebs JEREMIE Patricko
Olona manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiarahamonina ny poeta noho ny fananany aingam-panahy sy talenta ary ny fahaizana mamoaka hevitra amin’ny alalan’ny fihetseham-pony. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny fahaizany mitaiza sy mampianatra ny mpiara-belona aminy, ary mikolokolo ireo soatoavina nentim-paharazana sy ny kolotsaina maha Malagasy.

Poetawebs MANOVOSOA Manampototse
Ny poeta dia olona mahay mampita ny teny manaitra ny saina sy fo sy mahita hatsarana na hevitra lalina amin’ny zavatra tsotra eo amin’ny fiainana ary mampita hafatra sy fahendrena amin’ny fomba eny anivon’ny fiarahamonina.

Poetawebs RAVAONIRINA Permanne
Ny poeta dia mpanakanto maneho ny aingam-panahy amin’ny alalan’ny asasoratra izay mirindra sady milanto. Miavaka izay olona izay eny amin’ny fiarahamonina noho ireo sanganasany maneho fihetseham-po. Mavesa-danja tokoa ny anjara asany satria manabe ny fiarahamonina, manitsy eo amin’ny fiainana, mampiala voly, mampianatra sy manoro lalana amin’ny fahombiazana.

Poetawebs MAMISOA
TSARARINY : Olona manana aingam-panahy miavaka ny poeta. Izy dia manana andraikitra lehibe amin’ny fitaizana sy fanabeazana eo anivon’ny fiarahamonina.

Poetawebs RANDRIANANTENAINA Gael
Ny poeta dia olona manoratra ny asasoratra izay mandinika amin’ny alalan’ny saina sy ao ampo ny teny avoakany. Ny poeta ihany koa dia ireo olona manam-pahaizana mikasika ny asasoratra izay atokisan’ny fiarahamonina, ohatra : manoratra ny poezia, tononkalo…
Ny anjara toerany eo amin’ny fiarahamonina dia ny mampita hafatra ny lesona, maneho ny fiainan’ny fiarahamonina, manampy amin’ny fiarovana ny teny malagasy sy soatoavina nentin-drazana, mamalifaly sy mampalasa saina ny asasoratra izay ataony.

Poetawebs AVIZARA Baby Fac Claudio
Ny poeta dia olona manana fahaizana manokana sy eritreritra lalina amin’ny famoronana tononkalo. Mahay mampiasa ny teny amin’ny fomba kanto sy mirindra izy mba hanehoana fihetseham-po, hevitra ary hafatra momba ny fiainana. Manana anjara asa lehibe eo anivon’ny fiarahamonina ny poeta satria mampita hafatra, manabe, manaitra saina ary maneho ny zava-misy iainan’ny olona amin’ny alalan’ny tononkalo.

Poetawebs ANICETTE Volafeno
Ny atao hoe poeta dia olona manoratra amin’ny teny mamy sy feno hafatra mazava tsara hampitana ny fihetseham-po sy ny fahitany izao tontolo izao. Ny tononkalo dia izay taratry ny fon’ny mpanoratra iray mba hoentiny hampifoha sain’olona eo anivon’ny fiarahamonina sy hanentana firenena.
Poetawebs HARITIANA Marie Louisa
Olona manana ny maha izy azy manokana eo amin’ny sehatrin’ny zavakanto ny poeta. Ireo fahaiza-manao eo amin’ny fikirakirana ny teny no tena mampiavaka azy. Izy no lakolosy manaitra ny fieritreretana, izay manova ny fahorian’ny andro ankehitriny ho hery hanangana ny ampitso.

Poetawebs TSANGAMARO Ferdinand Driamila
Ny poeta dia olona tia sy mahay mandrindra ny kanto avy ao am-pony. Ny asany dia mananatra sy mangala sorisory ny fiarahamonina.

Poetawebs RAZAFINDRAFARA Ckevina
Ny poeta dia olona iray izay mahay mampiasa sy manambatra ny teny amin’ny fomba kanto, mirindra ary misy gadona na an-tsoratra izany na am-peo entina hanehoana ny fihetseham-po, sary ao an-tsaina, na hafatra lalina izay miainga amin’ny alalan’ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina na firenena. Tena manana anjara asa lehibe eo amin’ny fiarahamonina ny poeta satria mpanabe sy fitaratry ny fiarahamonina, sady mampiala voly no mpitahiry ny zava-misy ary mpitolona amin’ny tsy rariny no mpiaro kolontsaina. Ka amin’ny alalan’ny herin’ny teny kanto no entina manaitra ny fiarahamonina.

Poetawebs BEKALO Leuthucia
Ny poeta dia olona izay mandinika amin’andro aman’alina hampivoatra ny fiarahamonina sy ny firenena amin’ny alalan’ny asasoratra vita amin’ny fomba kanto.

Poetawebs FITAHIANA Nakaria
Olona miavaka ny poeta noho ny talenta ananany amin’ny fanoratana sy fanehoana hevitra. Ilain’ny fiarahamonina izy noho ny fahaizany mampita hafatra sy manentana ny olona. Antenaina fa handroso ny firenena raha maro ny poeta.

Poetawebs RAZAFIPOLINY Thérésina
Ny poeta dia ilay olona manana talenta amin’ny famoronana ny aingam-panahy izay miavaka amin’ny sarambambem-bahoaka ny fanehoana ny sanganasany amin’ny feo kanto ary manaitra ny fo. Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiainam-piarahamonina ny poeta noho izy mampita hafatra no sady manabe ary mampiala voly ny mpankafy.

Poetawebs RAHARIJAONINA Ronaldo
Ny atao hoe poeta dia olona miavaka sy afaka mamadika ny zava-misy, ny fihetseham-po ary ny eritreritra ho lasa endrika tononkalo kanto sy misy heviny lalina. Misolo ny toeran’ny vahoaka ny poeta, ka asehony ao avy ny hafaliana, ny alahelo, ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana.

Poetawebs HOLETTE
Ny atao hoe dia olona manga sy be vetsovetsom-po eo amin’ny fiarahamonina. Sady mpanome herin-tsaina no mpanoro lalana ary mpampahatsiahy eo amin’ny fiainana. Koa amin’ny alalan’ny tononkalo no anehoany izay rehetra izay.

Poetawebs JAOMORA Philbert
Ny atao hoe poeta dia mpanoratra tononkalo, maneho fihetseham-po sy hevitra amin’ny alalan’ny teny voalamina tsara, misy gadona sy sary an-tsaina.

Poetawebs ZAFY Marie Gladonia Yondha
Iza moa ny poeta ? Iza moa ny poeta raha tsy hitondra izay rehetra hetahetan’ny fo ? Manangona, mitondra ireo havesarana ao an-doha. Iza moa ny poeta raha tsy vavan’dreo voageja ao anatin’ny haizim-pito ? Izay miady ho anao sy ny mahasoa anao. Ny poeta dia fitaratra, ny poeta dia ravaka, ny poeta dia mpikaroka sy mpamonjy kely miavaka.

Famaritana ny poeta - Mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana, lalam-piofanana Malagasy
Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo — Poetawebs
 

Mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana lalam-piofanana Malagasy

Ajouter un commentaire