 |
VONIMBOLA
Angelin
Ny atao hoe literatiora dia fitambaran’ireo sanganasa kanto rehetra
izay vita amin’ny alalan’ny teny, novokarin’ny mpahaikanto sy
mpahaisoratra.
|
 |
BE Casmir Sylvio
Ny literatiora dia zavakanto vokatry ny fo sy fanahy, iasaina amin’ny
alalan’ny soratra sy teny.
|
 |
VISOLINA
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto novokarina tamin’ny alalan’ny
soratra na am-bava izay maneho ny hainteny.
|
 |
BEMAHAVITA Roberto
Ny literatiora dia zavakanto mampirindra sy mamolavola ny fiarahamonina
ary mampiseho ny maha izy azy ny firenena iray.
|
 |
RASOAVOLOLONA
Samrà
Ny literatiora dia fanambarana ny aingam-panahy izay vita amin’ny fomba
kanto, voasoratra mirindra sy atao am-bava ka fanehoana ny sanganasa
voarafitra.
|
 |
ZAFY Sera Clartà
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto manandratra ny teny, anehoana ny
fihetseham-po sy hakanton’ny kolontsaina.
|
 |
BAKOLIARISOA
Felicia Emilienne
Ny literatiora dia sehatra ahafahan’ny mpanoratra mamorona tontolo sy
toetra vaovao amin’ny alalan’ny teny.
|
 |
SOAVINDRINA Edwige
Ny literatiora dia zavakanto anehoana ny fietseham-po sy saina ary ny
zava-misy eo amin’ny fiainan’ny olombelona izay atao am-bava na
an-tsoratra.
|
 |
SOARIZIKY Tania
Ny literatiora dia zavakanto izay maneho hevitra sy mampihetsi-po.
|
 |
JAOVORY Hannia
Ny literatiora dia zavakanto vita avy amin’ny teny, ampiasaina anehoana
hevitra izay aseho am-bava na an-tsoratra.
|
 |
SOA Kamila
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra
izay aseho amin’ny fomba kanto.
|
 |
SOA Elina
Ny literatiora dia fanehoana zava-kanto izay raketina an-tsoratra na
am-bava izay entina mitahiry tantaram-pirenena.
|
 |
MANANJARA Frido
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra ao
amin’ny faritra na firenena iray aseho amin’ny fomba kanto.
|
 |
SOAREZY Elodie
Ny literatiora dia famborahana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba
kanto izay zava-misy hita taratra ao amin’ny fiarahamonina.
|
 |
ZAFY Bamamy Asna
Ny literatiora dia fomba anehoan’ny olona ny fihetseham-pony am-bava na
an-tsoratra izay aseho amin’ny alalan’ny teny voalamina sy kanto.
|
 |
NORO Christine
Noéla
Ny literatiora dia fomba fandinihana ny teny voafantina tsara izay
anehoana ny hevitra mirindra amin’ny alalan’ny eritreritra ka manintona
ny mpamaky.
|
 |
FANAMBINANA
Jiovanis Orlando
Ny atao hoe literatiora dia ireo vokatr’asa izay novokarin’ny mpahay
teny amin’ny alalan’ny talentany sy fihetsehem-pony.
|
 |
SOAMAGNAFY Elsye
Jeannielle
Ny literatiora dia fanehoan’ny mpanoratra ny heviny sy ny talentany
am-bava na an-tsoratra ka asehony amin’ny fomba kanto.
|
 |
RATSARAZAFY
Wornela Elisabeth
Ny literatiora dia zavakanto mampiasa teny an-tsoratra na am-bava mba
hanehoana fihetseham-po na eritreritra.
|
|
PIERRE Alide
Ny literatiora dia fahaizana maneho hevitra amin’ny fomba kanto
manoloana ny zava-misy iainana eo anivon’ny fiarahamonina, vokatry ny
fananana talenta sy aingam-panahy.
|
 |
LOVA Sabruna
Ny literatiora dia zavakanto izay entina hanabeazana ny olona ao
anatin’ny fiarahamonina ary natao hanehoana hevitra am-bava sy
an-tsoratra ihany koa.
|
 |
JEAN Eric
Ny atao hoe literatiora dia sanganasa atao an-tsoratra na am-bava
entina hanabeazana sy hialana voly amin’ny tany sy ny fiarahamonina ary
ny firenena.
|
 |
RAFANOMEZANTSOA
Zikos Kascia
Ny literatiora dia fanehoana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto
ny hevitra sy ny fihetseham-po ary ny aingam-panahy manoloana ny
zava-misy iainana.
|
 |
MAMISOA
Ny literatiora dia zavakanto izay mampiasa ny teny ho fitaovana
hanehoana hevitra, vina, tantara ary ny fihetseham-po.
|
|
RAZAFINDRATIANA
Dhizzirnah
Ny literatiora dia zavakanto, talenta vita amin’ny alalan’ny teny aseho
an-tsoratra na am-bava.
|