Famaritana ny literatiora

  • Par poetawebs
  • Le 10/05/2026
  • Commentaires (3)
Famaritana ny literatiora
Tsikimilamina Rakotomavo — 10/05/2026

Nanakaiky ny mpianatry ny oniversiten'Antsiranana lalam-piofanana Malagasy ny Poetawebs momba ny famaritana azon'ireo mpianatra 25 zaraina ho an'ny mpisera. Hoezahin'ny tranonkala koa amin'ny fotoana hafa ny hamantatra ny famaritan'ny mpianatra ny antsoina hoe poezia.

Poetawebs VONIMBOLA Angelin
Ny atao hoe literatiora dia fitambaran’ireo sanganasa kanto rehetra izay vita amin’ny alalan’ny teny, novokarin’ny mpahaikanto sy mpahaisoratra.


Poetawebs BE Casmir Sylvio
Ny literatiora dia zavakanto vokatry ny fo sy fanahy, iasaina amin’ny alalan’ny soratra sy teny.

Poetawebs VISOLINA
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto novokarina tamin’ny alalan’ny soratra na am-bava izay maneho ny hainteny.

Poetawebs BEMAHAVITA Roberto
Ny literatiora dia zavakanto mampirindra sy mamolavola ny fiarahamonina ary mampiseho ny maha izy azy ny firenena iray.


Poetawebs RASOAVOLOLONA Samrà
Ny literatiora dia fanambarana ny aingam-panahy izay vita amin’ny fomba kanto, voasoratra mirindra sy atao am-bava ka fanehoana ny sanganasa voarafitra.

Poetawebs ZAFY Sera Clartà
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto manandratra ny teny, anehoana ny fihetseham-po sy hakanton’ny kolontsaina.

Poetawebs BAKOLIARISOA Felicia Emilienne
Ny literatiora dia sehatra ahafahan’ny mpanoratra mamorona tontolo sy toetra vaovao amin’ny alalan’ny teny.

Poetawebs SOAVINDRINA Edwige
Ny literatiora dia zavakanto anehoana ny fietseham-po sy saina ary ny zava-misy eo amin’ny fiainan’ny olombelona izay atao am-bava na an-tsoratra.

Poetawebs SOARIZIKY Tania
Ny literatiora dia zavakanto izay maneho hevitra sy mampihetsi-po.

Poetawebs JAOVORY Hannia
Ny literatiora dia zavakanto vita avy amin’ny teny, ampiasaina anehoana hevitra izay aseho am-bava na an-tsoratra.

Poetawebs SOA Kamila
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra izay aseho amin’ny fomba kanto.

Poetawebs SOA Elina
Ny literatiora dia fanehoana zava-kanto izay raketina an-tsoratra na am-bava izay entina mitahiry tantaram-pirenena.

Poetawebs MANANJARA Frido
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra ao amin’ny faritra na firenena iray aseho amin’ny fomba kanto.

Poetawebs SOAREZY Elodie
Ny literatiora dia famborahana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto izay zava-misy hita taratra ao amin’ny fiarahamonina.

Poetawebs ZAFY Bamamy Asna
Ny literatiora dia fomba anehoan’ny olona ny fihetseham-pony am-bava na an-tsoratra izay aseho amin’ny alalan’ny teny voalamina sy kanto.

Poetawebs NORO Christine Noéla
Ny literatiora dia fomba fandinihana ny teny voafantina tsara izay anehoana ny hevitra mirindra amin’ny alalan’ny eritreritra ka manintona ny mpamaky.

Poetawebs FANAMBINANA Jiovanis Orlando
Ny atao hoe literatiora dia ireo vokatr’asa izay novokarin’ny mpahay teny amin’ny alalan’ny talentany sy fihetsehem-pony.

Poetawebs SOAMAGNAFY Elsye Jeannielle
Ny literatiora dia fanehoan’ny mpanoratra ny heviny sy ny talentany am-bava na an-tsoratra ka asehony amin’ny fomba kanto.

Poetawebs RATSARAZAFY Wornela Elisabeth
Ny literatiora dia zavakanto mampiasa teny an-tsoratra na am-bava mba hanehoana fihetseham-po na eritreritra.

Poetawebs PIERRE Alide
Ny literatiora dia fahaizana maneho hevitra amin’ny fomba kanto manoloana ny zava-misy iainana eo anivon’ny fiarahamonina, vokatry ny fananana talenta sy aingam-panahy.

Poetawebs LOVA Sabruna
Ny literatiora dia zavakanto izay entina hanabeazana ny olona ao anatin’ny fiarahamonina ary natao hanehoana hevitra am-bava sy an-tsoratra ihany koa.

Poetawebs JEAN Eric
Ny atao hoe literatiora dia sanganasa atao an-tsoratra na am-bava entina hanabeazana sy hialana voly amin’ny tany sy ny fiarahamonina ary ny firenena.

Poetawebs RAFANOMEZANTSOA Zikos Kascia
Ny literatiora dia fanehoana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto ny hevitra sy ny fihetseham-po ary ny aingam-panahy manoloana ny zava-misy iainana.

Poetawebs MAMISOA
Ny literatiora dia zavakanto izay mampiasa ny teny ho fitaovana hanehoana hevitra, vina, tantara ary ny fihetseham-po.

Poetawebs RAZAFINDRATIANA Dhizzirnah
Ny literatiora dia zavakanto, talenta vita amin’ny alalan’ny teny aseho an-tsoratra na am-bava.

Famaritana ny literatiora - Mpianatra L2 Oniversiten'Antsiranana, lalam-piofanana Malagasy
Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo — Poetawebs
 

Mpianatra L2 Oniversiten'Antsiranana

Commentaires (3)

Toetra Ràja
  • 1. Toetra Ràja | 11/05/2026
Mankasitraka anareo mpianatra nizara famaritana maro sy mahaliana ka misy hotsakotsakoina amin'ireo teny fototra toy ny zavakanto, am-bava sy an-tsoratra, fiarahamonina, firenena, tany, aingam-panahy, sangan'asa, talenta, fihetseham-po, teny, fomba kanto, mpanoratra, mpamaky, hevitra, vina, tantara...
Vonimbola Angelin
  • 2. Vonimbola Angelin | 11/05/2026
Misaotra betsaka tamin'ny fampianarana sy fizarana fahalalana✍️
Havozo Manitra
  • 3. Havozo Manitra | 11/05/2026
Mankasitraka anareo mpianatra avy any Antsiranana fa nahazo fahalalana mikasika ny literatiora izahay.

Ajouter un commentaire