Aodin'ny Pôeta

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
13 febroary 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

AODIN'NY POETA
Manankarena ny haisoratra sy ny teny malagasy ! Indrisy anefa fa betsaka ireo tsy rototra amin'ny tokony hikolokoloana izany mba hitazonana sy hanatevenana ny hasin'ny voaforona. Anisan'ny fanoitra entina manatanteraka izany ny famerenana ny tononkalo malagasy ho eo amin'ny toerana tokony hisy azy. Mandondom-baravarana harivariva ny Pôeta mivimbina ny hetahetam-pony ao an-tokantranonao mpisera. Mipololotra aoka izany mantsy ireo asa soratra miely eto anivon'ny aterineto hany ka mila tsy ho voafehy ireo tsipelina samihafa sy samy hafa fanoratra ka mampihazohazo.

Tena tononkalo avokoa ve izy ireny sa mety mba lahatsoratra nasiana andalana sy andininy mirarefy ? Ankoatra izany, ilaina ve ny gadona sy rima sa azo soratana tsy misy fefy izay tonga ao an-tsaina ? Difotry ny fihazohazoana ny mpamaky indraindray ka mety hanontany tena hoe : inona no antsoina hoe tononkalo ? Aoka anefa hazava fa ny tokony hampiavaka azy amin'ny lahatsoratra sy ny asa soratra hafa dia ny kalitao avo lentan'ny rindran-teny fonosiny. Ity tranonkala natokana ho an'ny Pôeta sy ny mpakafy tononkalo malagasy ity no mety hanampy antsika amin'ny famerenana amin'ny toerana tokony hisy azy amin'izay ny tononkalo malagasy. Ezahina ato amin'ity takelaka ity ny hamoaka lahatsoratra mikasika ny pôezia malagasy.

Toetra Ràja

Hitapatapak'ahitra

Hamakafaka tononkalo

Hampiditra lahatsoratra

Hizara vaovao

—› 
poetawebs@gmail.com



Nalisoa RAVALITERA [...]
Havatsa : Tatamo manokana [...]
Havatsa sampana Antsirabe [...]
Mino ve ianao ? [...]
Faribolana Sandratra  [...]
Aingam-panahy  [...]

poetawebs@gmail.com