Créer un site internet
Iray volan'ny teny malagasy, jona 2020.
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

26 jolay 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs

AKON'NY IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY - 2020

Samy nanana ny fomba fanamarihany azy an'iny Iray Volan'ny Teny Malagasy iny (jona 2020) ireo mpampiasa sy mpikirakira ny teny malagasy toy ny mpanao gazety, mpikabary, mpampianatra sy mpianatra, mpanoratra, pôeta, fikambanana... Ny teto amin'ny tranonkala Pôetawebs dia nanao izany tamin'ny fampielezana tenina pôeta isan'andro tao amin'ny tambajotra Facebook ka nahafahan'ny maro nianoka sy naneho hevitra.

Indro àry haroso etoana ireo teny notsongaina miampy ny akon'ny gazety teny an-tsefatsefany nanehoan'ny Pôetawebs ny fanamarihana.


TENY NOTSONGAINA
Mety hisy angamba hanontany hoe ireo pôeta voatsonga ihany ve no tena sangany sy nahavita teny mendrika noho ny hafa?
Voalohany indrindra dia ny tenin'izy ireo no eo am-pelatanana satria nivoaka teto amin'ny tranonkala toy ireo avy tamin'ny Tapatapakahitra, fandalinana samihafa ary ny sorapiainana pôeta.
Faharoa, mifandrindra amin'ny lohahevitra nofidina manokana izy ireo: fanandratana ny teny malagasy, fampiasana azy eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fanjakana, fanomezana hasina ny fitenim-paritra, boky sy vakiteny,
tsipelina, ny teny sy ny fanabeazana, ny fianarana, famaritana ny tononkalo sy ny asa soratra kanto sns.

Nalahatra isaky ny datin'andro nampielezana azy tamin'io iray volana io izy ireo, nampiarahana tamin'ny anaran'ny pôeta, ny teniny ary ny rohy ahafahana mamaky manontolo ny lahatsoratra.

sary nindramina





























01 jona 2020
Pôeta : Raozigasy
Lohahevitra : fangaron-teny vahiny
"Manankarena ny teny malagasy na dia manomboka voasaron'ny fangaron-teny vahiny sy ny dika teny malalaka aza"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-33.html
sary nindramina 02 jona 2020
Pôeta : Voahirana Rakotoarimanana (Fara Mananjandry)
Lohahevitra : Fandalana ny teny malagasy
“Hentitra ny Ray aman-dReninay teo amin'ny fanajana ny teny malagasy”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-96.html
sary nindramina 03 jona 2020
Pôeta : Ezra Samuel
Lohahevitra : Fitenim-paritra
"… fa manana ny maha izy azy ny fiteny isam-paritra"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-111.html
sary nindramina 04 jona 2020
Pôeta : Volatiana Rahaga
Lohahevitra : Fanoratana amin'ny teny malagasy
"Tsy ampy hoy aho ny manoratra amin’ny teny malagasy. Tsy ampy ihany koa ny fanohanana ireo olona marobe manana talenta mba maniry ny hampiranty izany."
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-89-1.html
sary nindramina 05 jona 2020
Pôeta : Rado
Lohahevitra : Fandalana ny teny malagasy
"tokony ho saro-piaro amin’ny fandalana ny teny Malagasy ny tena mpanoratra”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-35.html
sary nindramina 06 jona 2020
Pôeta : Malalatiana Hasina
Lohahevitra : Voambolana
"Mampiasa sy miezaka mampiasa ny voambolana mitady ho very aho ao amin'ny asa soratro"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-21.html
sary nindramina 07 jona 2020
Pôeta : J.-J. Rabearivelo
Lohahevitra : Fitenim-paritra
”mangataka indrindra ny mpanoratra any an-tsiraka aho mba hanangona sy handika ny fitenintsika izay tonon-kira aman-kalo tanindrana mety ho hitany ary handefa azy aty amiko.”
(tao amin’ny Fandrosoam-baovao lah 3 ny 19 septambra 1931 raha nieritreritra ny hanangona ny haren-tsaina malagasy isam-paritra izy)
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-62.html
sary nindramina 08 jona 2020
Pôeta : Soamiely
Lohahevitra : Vakiteny
"tsy manana hirika ankafizana vakiteny ny Malagasy"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-89.html
sary nindramina 09 jona 2020
Pôeta : Hanitr'Ony
Lohahevitra : Fikambanana sy ny teny malagasy
“Raha maro ny fikambanana mpanoratra dia tombontsoa lehibe izany ho an'ny firoborobon'ny teny sy ny haisoratra malagasy.”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-100.html
sary nindramina 10 jona 2020
Pôeta : Imbitika Rambala
Lohahevitra : Fanabeazana sy ny teny
"Ny mpampianatra sy ny mpitarika dia mitovy ihany : manana ny ampy tokony ho zarainy izy ary mahalala amin’ny antsipiriany ny olona tarihiny ka mahatsirika ny tokony hatolotra ny tsirairay amin’ny fotoana tokony hanaovana izany"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-113.html
sary nindramina 11 jona 2020
Pôeta : Ny Eja
Lohahevitra : Fanajana ny teny malagasy
"Ny lesoka tsapako dia ity fanafohizan-teny mahazatra ny olona ity. Tsapako hoe simba ny teny tratran'io fahazaran-dratsy io. Mila manana kolontsaina manaja ny tenin-drazana."
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-31.html
sary nindramina 12 jona 2020
Pôeta : Nitiah Nosy
Lohahevitra : Pôeta sy ny fiaraha-monina
"Ny poeta dia tokony hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina! Eny fa na dia amin’ny alalan’ny tononkalo soratana aza dia tokony ho fantatry ny poeta fa mpampita hafatra izy! Ary ny asa-sorany dia mety hanova zavatra maro amin’ny fiainan’ny olona iray na ny fiaraha-monina!"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-97.html
sary nindramina 13 jona 2020
Pôeta : Lova
Lohahevitra : Fanandratana ny teny malagasy
"Ndeha hasandratra ny teny malagasy fa raha tsy isika ireto no hanao izany dia iza indray?"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-87-1.html
sary nindramina 14 jona 2020
Pôeta : Toetra Ràja
Lohahevitra : Pôeta sy ny fampianarana
”Ny asa soratra poety mantsy dia tokony ho anisan’ny tarafin’ny mpianatra teny malagasy”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-51.html
sary nindramina 15 jona 2020
Pôeta : Ras Varatra
Lohahevitra : Ny teny sy ny fianarana
"Nihena ankehitriny ny fahaizan'ny zaza malagasy manoratra ny teniny noho ny tsy fahazarana mamaky boky intsony.”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-101.html
sary nindramina 16 jona 2020
Pôeta : Solofo José
Lohahevitra : Fitenim-paritra
"na dia ny hira mahafatifaty antsika rehetra aza dia mila mpanoratra mba hahavitana tononkira"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/fantaro-i-solofo-jose.html
sary nindramina 17 jona 2020
Pôeta : G.R.G. (Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle)
Lohahevitra : Kalitaon'ny asa soratra pôeta
"Tsy ho taitaitra foana fa hisaina tsara vao mikatroka, mamerimberina mamaky ny zava-bita ary manatsara izay tokony hovaina?"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-79.html
sary nindramina 18 jona 2020
Pôeta : Fifi Razakarison
Lohahevitra : Endriky ny tononkalo
“Ny hita ihany koa dia lasa miventy hevitra loatra ny tononkalo ankehitriny kanefa tsy izay no tena tanjona fa ny fomba nentinao hamoahana ilay hevitrao no takiana amin'ny atao hoe literatiora”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-102.html
sary nindramina 19 jona 2020
Pôeta : Haingo
Lohahevitra : Famaritana ny talenta sy ny aingam-panahy
"Ny talenta izay tiako hantsoina hoe: tolotra, vadin-koditra amin'ny mpahay zavatra efa hatramin'izy fony vao ranom-bohoka mba ho vatofehizoro iorenan'ny fahafaha-mahavita. Manaraka an'izany ny aingam-panahy, ilay matoan'ain'ny mpanakanto izay tahatahaka izao kosa no ametrahako azy eo amin'ny fanoratana tononkalo: aloha ny teny hoe "ainga" manambara hetsika mitory fitroarana ary aoriana ny teny hoe fanahy ifanondrotan'ny raiki-telo dia ny fientanam-po, ny firehan-tsaina, ny hery hafa tsy fantatra na tsy fanta-piaviana" (Arikaomisa sy ny namany, 2002 : 50)
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-51.html
sary nindramina 20 jona 2020
Pôeta : Niry-Solosoa
Lohahevitra : Famaritana ny soratra
"Amiko ny soratra dia olombelona manomboka any amin'ny rantsan-tongotra ambany sy hatrany amin'ny singam-bolo an-tampon-doha; azo soratana avokoa na dia sola"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-25.html
sary nindramina 21 jona 2020
Pôeta : Rado Ramaherison
Lohahevitra : Pôeta sy ny mpamaky
"Andry tena ilaina mampijoro ny literatiora ankoatra ny mpanoratra sy ny soratra ihany koa ny mpamaky"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-30.html
sary nindramina 22 jona 2020
Pôeta : Avelo Nidor
Lohahevitra : Pôeta sy ny tantara
“Miara-manoratra ny tantara isika izao ary miara-miaina ny vanimpotoana misy”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-104.html
sary nindramina 23 jona 2020
Pôeta : BadeRaAnRaMa
Lohahevitra : Famaritana ny pôeta
“Ny poeta amiko dia olona itoerana bilo, mamoaka ny sary ao an-tsainy sy ao am-pony ho soratra mampamelovelo fanahy, manaitra ny matory ao anatin'ny mpamaky.”
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-47.html
sary nindramina 24 jona 2020
Pôeta : Velo
Lohahevitra : Ny pôezia sy ny kanto
"Tsy hoe rehefa angolaina amin’ny feo mitaraindraina sy feno fihetseham-po akory ny voasoratra dia kanto avokoa"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-78.html
sary nindramina 25 jona 2020
Pôeta : Randja Zanamihoatra
Lohahevitra : Fitenim-paritra
"Koa dia miantso anareo tanindrana izahay, Tompoko e ! fa isika izao no soroka hiara-milanja ary izany ka izany no foto-javatra kendrena, fa isika tsy mahadini raha ela "
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-81.html
sary nindramina 26 jona 2020
Pôeta : Narilala Ravakinoro
Lohahevitra : Famaritana ny pôeta
"Ny poeta dia "iraka" tahaka ilay zanakandriamanitra tonga tety amintsika ary nanome ny "fitiavana", nampianatra sy nanabe ara-panahy ary namolavola ny saintsika tamin'ny alalan'ny "TENY MASINA" dia ny "poezia"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-87.html
sary nindramina 27 jona 2020
Pôeta : Zo-Maminirina
Lohahevitra : Fanandratana sy fiarovana ny teny malagasy
"Raha mendrika sy naha henim-boninahitra ny kanto sy ny poezia malagasy izay kely vitako dia heveriko fa mba anjara biriky kely amin'ny fanandratana sy fiarovana ny teny malagasy sy ny Malagasy miteny azy".
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-38.html
sary nindramina 28 jona 2020
Pôeta : Brentch Mbolamasoandro
Lohahevitra : Ny pôeta sy ny boky malagasy
"Adidy iombonan'ny mpanoratra sy ny mpamaky no mety hamporiboborobo indray ny boky malagasy."
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-107.html
sary nindramina 29 jona 2020
Pôeta : AéRa
Lohahevitra : Ny teny malagasy sy ny tenim-panjakana
"... tokony hatao teny malagasy daholo ny fifanekena amin'ny vahiny, ny lalàna eny amin'ny Tribonaly sy ny lalàm-panjakana misy rehetra amin'izay dia hirehareha amin'ny maha-Malagasy azy ny Tanora!"
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-40.html
sary nindramina 30 jona 2020
Pôeta : Elie Rajaonarison
Lohahevitra : Ny hevitra sy ny feo eo amin'ny asa soratra
"Tsy ny hevitra fotsiny no ambara amin’ny asa soratra fa ny feo, ny fahavelomana sy ny maha feo ny teny no mahatonga ny fanahy, ary ny fanahy dia midika hevitra ambaran’ny asa soratra "
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-55.html

TENY AN-TSEFATSEFANY
Singanina mannokana eto ny feon-gazety nanamarika ny finiavan'ny Pôetawebs toy ny gazety Les Nouvelles, ny radio Info Culture Media ary ny televiziona VIVA.

Televiziona VIVA
Horonan-tsary mirakitra ny tapatapakahitra tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo,
notontosain'i Doda Razafindravelo
Gazety Les Nouvelles momba ny iray volan'ny teny malagasy niandraiketan'ny Pôetawebs

Radio ICM
Horonam-peo mirakitra ny tapatapakahitra tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo,
notontosain'i Heriarilala Andriamamonjy
Gazety Les Nouvelles momba ny iray volan'ny teny malagasy niandraiketan'ny Pôetawebs

Les Nouvelles
Lahatsoratra navoakan'ny gazety LES NOUVELLES tamin'ny 4 jona 2020
Mpanoratra : Joachin Mickaël
Gazety Les Nouvelles momba ny iray volan'ny teny malagasy niandraiketan'ny Pôetawebs
Gazety Les Nouvelles momba ny iray volan'ny teny malagasy niandraiketan'ny Pôetawebs

Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 27/07/2020